Toamasina : Ho vita amin’ny oktobra ny « voie rapide »

Vita ny 40%! Mampifandray mivantana ny lalam-pirenena faha-2 sy ny seranan-tsambon’i Toamasina ny arabe «voie rapide», mirefy 9,66 km, ataon’ny orinasa Sinohydro. Nijery ifotony tany an-toerana ny minisitry ny Asa vaventy, Rafidison Richard Théodore, ny faran’ny herinandro teo. Nambarany fa mahavelombolo ny fizotry ny asa, satria latsaka kely ny 40% ny efa vita, ankehitriny. Vinavinaina ho vita tanteraka amin’ny oktobra ho avy izao ny asa na farafahatarany mialoha ny desambra 2025. Ankoatra ny lalana ho an’ny fiara roa avy mandroso sy miverina (2 x2), hisy tetezana haorina koa amin’ity arabe ity.
Hampihena ny fitohanan’ny fifamoivoizana any Toamasina ny fisian’ity fotodrafitrasa ity, sady hanamora sy hanafaingana ny fitateran’ny fiara vaventy mpitatitra ny entana mivezivezy ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Nambaran’ny minisitra Rafidison Richard fa hampiroborobo ny fizahantany ihany koa. Nanentanany ny mponina manodidina, mba hanaja ny fahadiovana sy tsy hanary maloto. «Efa misy toerana azo itsangatsanganana eny an-toerana, ka mila tandrovina», hoy ihany izy.

Njaka A.

Partager sur: