Miisa 2 000 ny zana-kazo voavoly any amin’ny kaominina Imerina Imady, ny sabotsy teo. Nisy ny hazo nambolena manamorona ny sisin’arabe, hanomezana endrika ny tanàna. Mirefy 4,5 km ihany koa ny lalana namboarin’ny fokonolona, mampitohy fokontany telo (Ambohibary, Mandritsara ary Antanimena) sady nambolena hazo zahana sy frêne ». Nitarika ny hetsika ny Dredd Amoron’i Mania, ny ben’ny Tanàna ary ny fokonolona.
Nahatratra 13 ny fampiofanana mitodika amin’ny tsena ho an’ny teknisiana. Fiofanana ao anatin’ny tetikasa SHEP (Smallholder Horticulture Empowerment & Promotion), tohanan’ny Fiaraha-miasa iraisam-pirenena japoney (Jica), miaraka amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Tanjona ny hanamafisana ny hahafahan’ny tantsaha mamaly ny tinady eo amin’ny tsena sady hampitomboany ny tombom-barony.
Miisa 6 000 ny zana-kazo voavoly tany Fieferamanga Arivonimamo, ny sabotsy 1 marsa teo. Nahatratra 3 000 ny olona nanatanteraka izany, avy amin’ny Fiangonana zandriny sy ny Fiadidiana ny Repoblika. Tsiahivina, fa anisan’ny tanàna vaovao haorina amin’ny alalan’ny tetikasa Ankohonana Miarina ny eny Fieferamanga, amina toerana 53 ha. Hametrahana fianakaviana sahirana, ho afaka hanana fambolena sy fidiram-bola mahaleo tena.




