Nanokatra tamin’ ny fomba ofisialy ny hetsika « Fijery hafa » ho an’ny faritra Betsiboka, tao Maevatanàna, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana araka asa, Rasoloarisoa Marie Marcelline, sy ny ben’ny Tanànan’i Maevatanàna I sy II, tamin’ity herinandro ity. Nohamafisin’ny minisitra mpiahy fa ny « Fijery hafa » […]
Mois : mars 2025
VAOVAO TAMBATRA
Nahazo fitaovam-pamokarana marobe ny fikambanana tantsaha miisa 9 any Vakinankaratra. Nahitana borety 24, motopaompy 3, maotera 24CV, fitotoana voamaina, motoculteurs, remorques, fivelesana vary, fanafangaroana provandy, sns. Nisitraka ireo ny tantsaha any amin’ny distrika Antsirabe II, Betafo, Mandoto ary Faratsiho. Miara-misalahy manara-maso ny vidim-bary 750 Ar ny kapoaka ireo tomponandraikitra samihafa […]
Orinasa Base : Tsy ho an’ny lehilahy irery ny fitrandrahana
Anisan’ny nankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ ny zon’ny vehivavy, ny 8 marsa teo, ny orinasa Base Toliara tany Maromiandra, distrika Toliara II, anisan’ireo kaominina dimy iasany. Nisy ny hetsika nanehoan’ny fikambanan-behivavy fa afaka mahaleo tena izy ireo. Nambaran’i Sabine Hélène, filohan’ny fikambanam-behivavy, fa isaorana ny filoham-pirenena nanokatra indray ny […]
ONTM-ATD: Fiaraha-miasa fizahantany maharitra
Natao sonia ny 10 marsa teo, tany Colmar Alsace-Frantsa, ny fiaraha-miasa eo amin’ny Alsace Destination Tourisme (ADT) sy ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM). Tanjona ny hampiroboroboana ny fizahantany maharitra sy tomponandraikitra. Nanatanteraka azy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny ONTM, Ranaivoarimanana Ionjaniaina, ny filohan’ny fikambanana Tourisme sans Frontières (TSF), Marc […]
« Forum du secteur privé-Genève »: Hampivondrona ireo mpandraharaha maneran-tany
Ambohi-pihaonan’ireo mpandrahara maneran-tany ny « Forum du secteur privé » atao any Genève Suisse. Fotoana iray hanandratana avo ny vokatra malagasy sy hisarihana ireo mpampiasa vola vahiny ho tonga eto Madagasikara. Manamora ny fifandraisana amin’ireo firenena any ivelany i Genève Suisse noho izy toerana anisan’ny hivezivezen’ ireo mpandraharaha maneran-tany. Antony […]




