Mois : mars 2025

INDRAY MIJERY

Raha ny tatitra avy amin’ny minisitry ny Fah­a­salamam-bahoaka, maherin’ny 6 000 ny olona tonga nanatona ny Caravane médicale tao Mahajanga, ho an’ny tapakandro maraina fotsiny, ny herinandro lasa teo. Manodidina ny 12 000 ireo noraisina an-tanana tamin’ireo toerana telo efa nandalovan’izy ireo tamin’ny lalam-pirenena fahefatra. Ny aretin’ny maso, aretin’ny reny […]

tetikasa Echo Rup: Miditra amin’ny dingana faharoa

Natomboka omaly tamin’ ny fomba ofisialy ny andiany faharoa amin’ny tetikasa “Echo Rup II” tanterahina eto amin’ny kaominina Antana­narivo Renivohitra momba ny fiomanana hanatsarana ny fandraisana andraikitra manoloana ny loza samihafa. “Ny tondradrano no mpiseho matetika eto an-dRenivohitra mandritra ny fotoam-pahavaratra tahaka izao ka vonona ny mpiasan’ny kaominina hiofana hanamafy […]

Laza adina CEPE: Samy hafa fa hitovy lenta ny isaky ny Dren

Mahakasika ny fanadinam-panjakana CEPE dia namerina nanazava ny avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena hisian’ny fitonian’ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra. Mi­janona hotantanin’ny minisitera ny lafiny teknika rehetra. Ny tantsoroka ho fampitoviana lenta ny fanadinana manerana ny Nosy dia hiantohan’ny minisitera. Ny laza adina CEPE kosa dia isaky ny Dren no itondrana […]

Caisse Ecole: Mitentina 65 miliara Ar ho an’ny EPP sy CEG, ary lycée

Efa voarain’ny sekoly avokoa ny tetibola ho amin’ny « Caisse école » amin’ity taom-pianarana 2024-2025 ity. Manodidina ny 65 miliara Ar ny vola ho an’ny EPP, CEG ary Lycée. Nitondra fanazavana ny tale misahana ny fanadinam-panjakana sy fanamarinana mari-pahaizana ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, Ran­drianarison Tinaina Edinah, mahakasika ny “Caisse école”. Tetibola entina […]

Sambo hopitaly Afrika Mercy Ships: Nanomboka ny alatsinainy teo ny fandidiana voalohany

Ny alatsinainy 10 marsa lasa teo no nanomboka ny fandidiana voalohany an’ireo olona ma­nana aretina sy mila izany eny anivon’ny sambo ho­pitaly Afrika Mercy Ships, raha toa ka efa ny alakamisy teo no nanaovana ny lanonana ofisialy mahakasika ny fandaharanasan’ny sambo mpandidy. Niverina ary miantsona ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina indray […]