Lany tao anatin’ny fotoana fohy nivoahany ny tapakila! Mbola ny tarika AmbondronA irery hatreto no mahavita izany eto Madagasikara. Tsy ampy ora telo akory dia jifa avokoa ny tapakilan’ireo seho roa hotontosain’ny tarika etsy amin’ny La City Ivandry, ny zoma 21 marsa sy ny alahady 23 marsa ho avy izao. […]
Mois : mars 2025
Taom-baovao : Hankalaza ny « Rosh hashanah » ny Hebreo notsrym
« Rosh hashanah » na ny Taom-baovao ho an’ny Hebreo. Fotoana hifamelan-keloka, hamitranam-pihavanana mba hananana fo madio hiatrehana ny taona vaovao. Fotoam-piravoravoana sy fifaliana noho izy lavitry ny romoromo sy fiatsarambelatsihy. Nomarihin’ny Shalar Andriamady Rija, sekretera jeneralin’ny Fikambanan’ny Hebreo eto Madagasikara (FHM) fa anatin’ny volana « habib » ny fankalazana ny Taom-baovao ho an’ny […]
Rindrankira fiderana : Hiseho eny Vontovorona ny TMI
Tontosa soamantsara ilay seho lehibe notanterahin’ny Tanora Masina Itaosy (TMI) tany Antsirabe, ny faran’ny herinandro teo. Tsy hijanona ela fa hitohy avy hatrany eny Vontovorona izany, ny alahady 16 marsa izao manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Fampisehoana hotontosaina ao amin’ny « Aumonerie catholique universitaire de Tananarive (Acut) ». Ireo sanganasa fiderana […]
Oloben’ny kolontsaina sy ny serasera ; Nodimandry i Julien Rakotonaivo
Akademisianina, mpahay tantara, mpampianatra mpanabe, mpanao gazety, mpanoratra ary nitana andraikitra ambony maro teto amin’ny firenena. Maro ny azo resahina momba an’i Julien Rakotonaivo. Namela mamy ho an’ny firenena izy. Lavo ny andrarezina… Tsy fomba fiteny fotsiny izany eto fa tena mahalaza ny zava-mitranga. Nodimandry omaly mantsy i Julien Rakotonaivo, […]
FANTINA sy FINTINA
Mitsidika ny any New Delhi Inde, ireo delegasionina tarihin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin. Nanomboka afakomaly ny fivahinianana any an-toerana ka nihaonan’ny delegasionina tamin’ny mpirakidraharaha eo anivon’ny masoivoho malagasy, Rasamoelina Tahina. Hihaona amin’ireo mpitondra izy ireo aorian’izany. Any New York Etazonia ireo loholona mirahavavy, Ramarosoa Emiline sy Raharinirina Sidonie, amin’izao fotoana […]




