Mois : mars 2025

TARATRY ny KANTO

Fondation H. Nifarana ilay fampirantiana « Mémoria : recits d’une autre Histoire », izay naharitra 10 volana, teto Antananarivo. Nahitana sanganasa 40 mahery, an’ireo mpanakanto 22 avy amin’ny firenena 11 aty Afrika izany. Nahatratra 140 000 teo ireo mpitsidika nanomboka ny 4 avrily 2024. Hihazo tanàna-dehibe any amina firenen-kafa indray ny fampirantiana, aorian’izao. […]

Jazz Club CGM/GZ: Hanakoako ny « Jazz Fiderana »

Hiavaka ny seho. « Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah. Haleloia ». Hanatanteraka io teny voarakitra ao anatin’ny Salamo io ny Jazz Club CGM/GZ. Amin’ny alalan’ilay fampisehoana « Jazz Fidera­na » no hanehoan’izy ireo izany ny 16 marsa izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny FJKM Kristy Velona Andavamamba. Ho heno […]

Fampirantian’ny IKM : « Ny rakitry ny taniko Madagasikara »

Vanim-potoana mamelombelona ny maha Malagasy ao anaty izao. Misy amin’ireo fanao andavanandro no efa nolovaina tamin’ny fahagolan-tany. Voarakitra amina sanganasan’ny mpanakanto izy ireny, izay hatolotry ny Musée du Nord haranty ao amin’ny IKM Antsahavola, ny zoma 7 matsa hatramin’ny sabotsy 5 avrily ho avy izao. “Ny rakitry ny taniko Madagasikara” […]

«Festival Surakjkund 2025 » : Nisongadina tany Inde ny kolontsaina malagasy

Tsy vao sambany. Nanamafy indray ny mampiavaka ny kolontsaina malagasy ny fandraisana anjaran’ny Malagasy Folkloric Band (Maf’B), tamin’ny « Festival Surakjund 2025 » tany Inde, farany teo. Fahombiazana feno. Izay raha hanaovana jery todika ny fandraisana anjaran’i Madagasikara tamin’ilay hetsika iraisam-pirenena « Festival Surajkund Crafts Mela ». Fanao isan-taona any Surajkund, any Inde, izy […]

VAOVAO TAMBATRA

Namoaka setroka maloto sy fofona ny orinasa iray eny Ivato. Nidina teny an-toerana ny fanjakana (Medd, MIC, ONE, kaominina,…), ka nasaina naaton’ilay orinasa ny fandorany vorodamba sy plastika satria tsy tomombana ny milina ao aminy. Hiverina eny an-toerana ny ONE hanombana ny lafiny teknika sy hijery ny fanarahana ny didim-panjakana […]