Natao sonia, omaly, ny fifanarahana eo amin’ny vondrona orinasa sinoa, Sinomach, sy ny governemanta malagasy, tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (Sesa) ary ny Raharaham-bahiny (MAE). Votoatin’ ny fiaraha-miasa ny fambolena amin’ny veleran-tany midadasika, ny fananganana fotodrafitrasam-pamokarana sy ozinina fanodinana ary […]
Mois : mars 2025
Famatsiam-bola Fec/FRD: Nahomby ny fandaharanasa
Nahafa-po ny zava-bitan’i Madagasikara ao anatin’ny fandaharanasa Findramam-bola nohamoraina (Fec) sy ny Famatsiam-bola nohamoraina hiatrehina maharitra ny fiovaovan’ny toetr’andro (FRD), antony nahatonga ny fankatovana ny famatsiam-bola mitentina 103 tapitrisa dolara (77,4 tapitrisa DTS) avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Nitarika izany ny fanitsiana ny vidin-tsolika, nanomboka ny volana janoary 2025. Nahena […]
Tetikasa Mitao Forecast Africa : Mampihena 98% ny fahafatesan’ny mpanjono
Hipaka mivantana eo amin’ny sehatry ny toekarena sy ny hampihena ny taham-pahafatesan’ny mpanjono eny ifotony ny tetikasa Mitao Forecast Africa. Fantatra efatra andro mialoha ny toetry ny andro amin’ny alalan’ny fampiasana ny Mitao Forecast Africa. Misy ny fampahafantarana amin’ny alalan’ny takelaka miloko ny toetry ny andro (tableau agro-méteorologique) ho an’ireo […]
SOMBIM-BAOVAO
Nifarana afakomaly, tany Tunisie, ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja ping-pong, sokajy lahy sy vavy. Raraka avokoa ny solontena malagasy, nahitana an-dRazafinarivo Antoine, Rakotoarimanana Fabio sy Rakotondrazaka Océane ary Andriantahina Gracia. Araka izany, tsy nahazo ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2025”, hatao any Macao, Chine, izy ireo. Maro ny zavatra […]
Rugby – «Challenger series 2025»: Vonona ny makis de Madagascar
Hanomboka anio, ao Cape Town, Afrika Atsimo, ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny «Challenger series», taranja rugby ho an’olona fito, sokajy Sénior, lehilahy. Anisan’ ireo handray anjara amin’izany ny Makis de Madagascar. Efa any an-toerana hatramin’ny alatsinainy lasa teo izy ireo. Vonona ary ambony ny toe-tsain’ireo mpilalao hiatrika izany. Salama […]




