Mois : avril 2025

Lalao Nasionaly-Asief : Mpiasam-panjakana 15 000 andrasana

Eo anelanelan’ny volana jolay sy aogositra, any Mahajanga, no hanatanterahana ny fifaninanana nasionaly eo anivon’ny Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires). Manodidina ny 15 000 ny mpiasam-panjakana andrasana amin’ity fifaninanam-pirenena ho an’ny taona 2025 ity, araka ny nambaran’ny filohan’ny Asief, Andrianarison Jean Aimé (Jhone Love). Ho fanomanana ny […]

“Sevens challenger series” : Miady laharana sisa ny Makis de Madagascar

Tsy tafita intsony amin’ny “play off” ny Makis de Madagascar eo amin’ny fiadiana ny “Sevens challenger series”, taranja rugby ho an’olona 7. Indroa resy ry zalahy nandritra ny fifanintsanana tao amin’ny vondrona “B”. Fiadiana laharana sisa no andrandrain’izy ireo, anio. Tsy mbola afa-bela nanoloana an’i Canada sy i Por­tugal ny […]

TARATRY ny KANTO

«THB Mifety», eny amin’ny Naturia Palm Ambohidrabiby. Roa andro an-danonana, ary anisan’ny nandrasan’ny maro hanokafana ny fialantsasatry ny Paka eto Antananarivo izy ity. Hanafana ny anio ny tarika AmbondronA. Hanohy izany rahampitso kosa ny tarika Zandry Gasy. Fialamboly ho an’ny mpianakavy no tanjona amin’ny hetsika. Raha efa niaina ny mozika […]

« Revy Mahaleo sy ny namany »; Hanjaka indray ny vazo an-gitara

«Alefaso ry akama a !», hoy ny fanentanan’i Dama. Mahakasika ilay «Revy Mahaleo sy ny namany», fampisehoana hanjakan’ny vazo an-gitara sy ny vokatry ny tany, hotontosaina ny alatsinain’ny Paka 21 avrily izao io, manomboka amin’ny 2 ora etsy Antsahamanitra. Araka ny anarany, hibahan-toerana ny hiran’ny tarika Mahaleo mandritra izany. Mbola […]

Sarimiaina malagasy: Handeha amin’ny TV5 Monde

Tontosaina etsy amin’ny IFM Analakely, nanomboka omaly, ny andiany voalohany amin’ny “Festival international de film d’animation de Madagascar” na ny Fifam. Hetsika ho an’ny sarimiaina, izay efa manomboka mahazo vahana aty amintsika. Nampahafantarina nandritra izany ny « A la recherche du légume star», sarimiaina notontosain’i Louisette Ismaël Ratsivahiny, izay novokarin’ny […]