Hiditra amin’ny andiany fahatelo sahady. Nahitam-pahombiazana ka hiakatra lenta kokoa ilay hetsika « Woco Urban Vibes ». Hotontosaina ny sabotsy 5 avrily izao, manomboka amin’ny 1 ora ity seho ity, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina. Ambohipihaonan’ny tanora, satria tanora avokoa na ny mpanakanto na ny mpankafy raha tarafina amin’ireo […]
Mois : avril 2025
«Taombaovao ara-pivavahana » : Nankalaza ny « Rosh hashanah » ny Hebreo notsrym
Volana « habib » midika ho « salohim-bary » ny fankalazana ny Taombaovao ho an’ny Hebreo. Fidiovana, fialana amin’ny fahazaran-dratsy mba hananana fiarahamonina mirindra sy tsara kokoa no tazana mandritra ny fankalazana ny « Rosh hashanah ». «Rosh hashanah» na ny Taombaovao ho an’ny Hebreo. Fotoana hifamelan-keloka, hamitranam-pihavanana mba hananana fo madio hiatrehana ny taona vaovao […]
«Madagascar Film Festival » : Nampivondrona ireo mpisehatra amin’ny sarimihetsika
Hetsika namaky lay. Namelona indray ny firaisankina sy ny fanantenana mankany amin’ny hoavy mamiratra, teo amin’ireo mpisehatra rehetra amin’ny sarimihetsika ilay hetsika “ISSM Awards – Madagascar film festival”. Jery todika. “Tratra ny tanjona, saingy maro ireo lesoka mila harenina”. Nahitsy sady nazava ny fehiny, avy amin’ny talen’ny Ivon’ny sarimihetsika sy […]
VAOVAO TAMBATRA
Miverina mitontonga indray ny vola malagasy. Mielanelana 346,44Ar ny sandan’ny Euro sy ny dolara eo amin’ny tsenam-bola iraisam-pirenena. Tafahoatra ny 4 980 Ar ny euro iray, mihoatra ny 4 600Ar kosa ny 1 dolara. Porofo izao fa ambony lavitra ny vokatra hafarantsika raha oharina amin’ireo miondrana. Handray anjara amin’ny hetsika World Travel […]
Fihaonambe N4G : Tanjona ny fahavitan-tena ara-tsakafo
Nifarana ny 28 marsa teo, ny Fihaonambe iraisam-pirenena momba ny sakafo, Nutrition For Graowth (N4G), natao tany Paris. Taorian’ny fifampidinihina sy ny ady sisika samihafa, vonona hanokana 27,55 miliara dolara ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena sy ny firenen-dehibe. Mifantoka amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny foto-kevitra nijoroan’ireo delegasiona malagasy. Nohamafisin-dRtoa Sekreteram-panjakana misahana ny […]




