Mois : avril 2025

EPP Ankorondrano: Nisitraka tabilio vita amin’ny fako plastika

Vaindohan-draharaha ny orinasa Andao Company ny hanohanana ny sehatry ny fanabeazana izay fototry ny fampandrosoana. Nanolotra dabilio miisa 25 vita tanteraka amin’ny fako plastika voaodina milanja 700 kg ho an’ny EPP Ankorondrano ny orinasa. Hetsika tafiditra anatin’ny fandraisana andraikitra ara-tsosialy (RSE) sy ho fikajiana ny tontolo iainana. Tanjona ny hanatsarana […]

Andron’ny seha-pamokarana : Hampahafantatra ny lanjan’ny vokatra malagasy sy ny fiarovana azy

Mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena sy harinkarena faobe ny indostria sy ny seha- pamokarana. Andraikitry ny « autorité nationale chargée des mesures correctives commerciales » (ANMCC) ny mametraka ny fepetra fiarovana ara-barotra ny vokatra eto an-toerana. Manara-maso ihany koa ny fenitry ny kalitao manoloana ny fitobahan’ny entana avy any ivelany. Misy […]

INDRAY MIJERY

Mbola misy ireo traboina sahirana noho ilay fisian’ny ranobe sy fahavakisan’ny fefiloha teto Antananarivo. Tonga nanolotra fanampiana ho azy ireo ny “Association armée du salut “niaraka tamin’ny BNGRC. Nahitana vary, voamaina, menaka, savony, bodofotsy ary “serviettes hy­giéniques” ho an’ny vehivavy izany. Nisy ireo masontsivana napetraka ho an’ireo olona nisitraka ny […]

Fiofanana arakasa : Hametrahana « référentiels » vaovao ny THR

Notanterahina tamin’ity he­rinandrio ity, nandritra ny roa andro tao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, ny atrikasa «Développement de référentiels pour les mé­tiers du Tourisme-Hôtellerie et Restauration». Nisahana azy ny Direction de l’Apprentis­sage et de la Formation Quali­fiante (DAFQ), niaraka amin’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana ary […]

Asa Avotra : Mirindra Hanatsara ny fihariana ambanivohitra

Ankohonana marefo miisa 71 000, ao amin’ny distrika 11, no hisitraka indray ny tetikasa « Asa Avotra Mirindra » izay nanomboka ny taona 2024 hatramin’ny taona 2027. Fandaharanasa fiahiana mpiara-belona an’ny governemanta malagasy, ao anatin’ny tetikasa «Haratonaina», mikendry ny fanatsarana famokarana ity tetikasa ity. Fanofanana sy asa tanamaro ho an’ireo vondrom-piarahamonina tena sahirana […]