Mois : avril 2025

Nobatan’ireo tsy mataho-tody tao an-tranony: Zazavavy 6 taona maty nisy nanolana

Hita faty nobiridina tany an-tanimbary tany Ambohima­hasoa omaly maraina tamin’ny 6 ora maraina ny vatana mangatsiakan’ny zazavavy kely vao enin-taona monja. Maty nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana, naholana ary notsimondrin’ireo olon-dratsy tamin’ny antsy izy io. Tsy hita tao am-pandriana niaraka tamin’ny mpiray tampoho taminy izy afakomaly tamin’ny 11 ora […]

Lozam-pifamoivoizana tanaty roa herinandro : Olona dimy maty, 36 naratra

Miseo lany ny lozam-pifamoivoizana teto Antananarivo Renivohitra, tao anatin’ny roa herinandro. Olona dimy namoy ny ainy. Tranga lozam-pifamoivoizana maherin’ny 35 niseho teto Antana­narivo Renivohitra nanomboka ny 24 marsa hatramin’ny omaly. “27 tamin’ireo nitranga nandritra ny 24 marsa hatramin’ny 30 marsa teo”, araky ny tatitry ny polisim-pirenena. Namoizan’aina olona roa ireo […]