Mois : avril 2025

FANTINA sy FINTINA

Mampivarahontsana ny fihemoran’ny fanjakana tan-dalàna, araka ny fanehoan-kevitr’i Zazah Ramandimbiarison, omaly. “Mampiseho faharatsiana goavana amin’ny tsy fanajana ny lalàna ny tondro farany momba ny fanjakana tan-dalàna navoakan’ny World Justice Project”, hoy izy. Faha-112 amin’ny firenena 142 isika, araka ny nambarany… Niantso ny hiarovana ireo mpiaro ny zon’olombelona, araka ny fangatahan’ny […]

Fahatongavan’ireo filoham-pirenena… : Ho hentitra ny fitandroana ny filaminana

Nisongadina tamin’ny filan­kevitry ny minisitra ny firosoan’ny fanomanana ny fivahinianan’ireo filoham-pirenena maromaro eto amintsika. Han­dray anjara amin’ny fihaonana an-tampon’ny Vao­mi­eran’ny ranomasimbe Indianina (COI). Miara-dalana amin’izany koa ny fihaonana an-tampon’ireo filoham-panjakana sy governemanta eo anivon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana (COI), ny 24 avrily 2025, eto Antananarivo. Ni­voitra tamin’ny filankevitry ny minisitra fa […]

Fahefana… fahavitana

  Ady fahefana no mampifanenjan-dava ny mpanao politika? Mihevitra, ohatra, ny mpanohitra ary mampihevitra ny vahoaka fa raha tsy izy no eo: tsy misy inona mandeha sy ho vanona. Tsy inona izay fahefana izay fa fahavitana izay tokony hatao, tsy maintsy efaina, andrasan’ny vahoaka… Araka izay nampanantenaina ny vahoaka tamin’ny […]

Fampiakaran-ketra nataon’ny Amerikanina: Mikaro-bahaolana ny governemanta

Manoloana ny fampiakaran’ny Amerikanina ho 47 % ny hetra haloa amin’ny entana avy aty Madagasikara, mijoro ny governemanta. Mandeha ny fitadiavam-bahaolana! Toy ny vara-datsaka ny vaovao, niely manerana izao tontolo izao, omaly! Firenena maromaro no na­moahan’ny fanjakana amerikanina fanambarana mahakasika ny fiakaran’ny hetra. 47 % izany ho an’ny entana avy […]

TSELATRA

Mpianatry ny CEG voan’ny Ambalavelona tany Andilanatoby, distrikan’Ambatondrazaka, omaly tamin’ny 02 ora sy 10 minitra. Tovovavy no tena lasibatra. Zazavavy iray tao amin’ny kilasy faha-7 no niandohany ary nihetsika avokoa ny tao amin’ny kilasy faha-8 avy eo. Rava noho izany ny fanadinana natrehin’izy ireo. Lehilahy miisa roa no voasambotry ny […]