Mois : mai 2025

Literatiora: hizara ny “Kipantsona” i Lova Santatra sy i Voary

“Miderà Azy amin’ny ki­pantsona tsara feo”. Sal.150-5. Avy amin’io andalana anaty Soratra Masina io no nakana ny anaran’ny hetsika “Kipan­tsona”. Antsan-tononkalo fa­na­on’ny Faribolana Sandratra izy ity, izay hotontosaina ny 24 mey izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. I Lova Santatra sy i Voary no hifarimbona hizara ny kanto mandritra izany. […]

Kalon’ny fahiny: hihira ho an’ny reny ny tarika Solika

Fatra-panaja ny reny ny Malagasy. Tsy ho diso anjara izy ireo amin’ity taona ity fa hotolorana fehezam-boninkazo lehibe… Na, ilay fampisehoana an-tsehatra hiarahana amin’ny tarika Solika. Ny alahady 25 mey izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny CCEsca Antanimena, hanatanteraka rindran-kira lehibe ny tarika Solika. Fam­pisehoana tafiditra ao anatin’ny […]

Ny kaly ihany aloha !

Asa fa tsy kabary! Izay aloha izao no mahasarika vahoaka maro. Tsy miandrandra zavatra hafa ankoatra an’io ny Malagasy. Na inona na inona lazaina sy resahina, miandry ny harapaka sy ny azo atokona avy hatrany izy ireo. Rehefa tsy misy fiantraikany mivantana aminy, dia ataony toy ny tsy misy. Na […]

Fanatanterahana ny toromariky ny filoha: hampitombo ny hafainganam-pandehany ny fitsarana

Notanterahina tetsy amin’ny Fitsarana ambony Anosy ny fananganan-tsaina eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsa­rana. Nitarika izany ny minisitra Rakotomandimby Ben­jamin Alexis. Nambarany tamin’izany ary nanafarany ireo mpiasa rehetra eo anivon’ny minisitera fa mampitombo ny hafainganam-pandeha ny fitondram-panjakana amin’ny ezaka fampandrosoana. “Manana anjara biriky lehibe amin’izany ny fitsarana amin’ny ankapobeny, amin’ny ala­lan’ny fametrahana […]

Hafatry ny fivondronamben’ny Eveka: “Tsy teny na kabary ambony vavahady ny fitiavana…”

Nampita hafatra ho an’ny kristianina sy ny vahoaka malagasy ny eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem). Tokony ho porofoina amin’ny asa ny fitiavana, araka ny fanambaran’izy ireo. “Tsy teny na kabary ambony vavahady ny hoe tia fa hetsika hita maso amin’ny hatao rehetra. Ka hoy izahay hoe tiava marina tokoa ka […]