Lehilahy iray 26 taona hita faty teny amin’ny tetezan’Imamba, Sabotsy Namehana, omaly tamin’ny 6 ora maraina. Tonga nijery ny zava-misy ny avy amin’ny mpitandro filaminana. Nitsilany ny fahitana ny razana, nahitana ratra ny lohaliny. Heverina ho maty noho ny fisotroan-taoka diso tafahoatra izy nitarika tsy fahatsiarovan-tena izy io, raha ny […]
Mois : mai 2025
Nilaza ho miompy kalanoro: Mpisoloky nahazo 25 tapitrisa Ar
Voasambotry ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohimanambola ny lehilahy mpisoloky ho manana volamena sy miompy kalanoro, teny amin’ ny Rocade, ny 14 mey teo. Nilaza ho manana volamena betsaka avy amin’ny raibeny io lehilahy io. Tsy tafavoaka anefa io harena io raha toa ka tsy mampiasa vola. Noresen’ […]
Mahajanga : Mpanao Cash point iray voatsatoka antsy
Notafihin’ny olon-dratsy ny tovolahy iray mpanao Cash point tany Ambohimandamina, Mahabibo Mahajanga, faritra Boeny, omaly maraina. Teo am-panaovana ny asa aman-draharaha toy ny mahazatra ity tovolahy ity no nisy lehilahy roa nanatona azy. Nanambana azy tamin’ny antsy ary nitaky ireo vola rehetra tany aminy ireo mpandroba. Notsindromin’ izy ireo tamin’ilay […]
Asan-jiolahy tetsy Ambohidratrimo: Tokantrano voaroba 80 tapitrisa Ar
Nongotan’ny olon-dratsy ny karakara vy “grille de protection” tamin’ny varavarankely, norobain’ny jiolahy nitondra basy ny tokantrano iray, tao Ambohidratrimo. Lasa ny volabe an-tapitrisany. Nampiasa tohatoha-kazo, nanongotra ny fiarovana teo amin’ny varavarankely tamin’ny alalan’ny “barre à mine” ny andian-jiolahy nitam-piadiana tao amin’ny fokontany Ambohitsiroa, kaominina Ambohidratrimo, ny alin’ny alakamisy 15 mey […]




