Mois : mai 2025

Toamasina : Naneho ny heriny ny antoko TGV

Tontosa tao amin’ny efitrano malalaky ny “Foyer Sociale”, Cité Canada, ny  sabotsy 10 mey teo, ny fihaonamben’ny antoko TGV sy ny mpikambana miaraka aminy, amin’ny fanohanana ny filoham-pirenena Rajoelina Andry. Nahatonga solontena avokoa ny distrika rehetra mandrafitra ny faritra Atsinanana nandritra ny fihaonana. Samy nanao tatitra sy fanakianana ary soso-kevitra […]

Kaominina ambonivohitr’i Morondava: Mandry fahalemana sy mora vidim-piainana

Kaominina mia­vaka indrindra ny kaominina ambanivohitr’i Morondava, raha oharina amin’ ireo kaominina sy disitrika hafa mandrafitra ny faritra Menabe. Anisan’ izany ny fisian’ny fandriampahale­mana sy ny fahamoran’ny vidim-piainana. Kaominina iray ao ana­tin’ireo disitrika dimy mandrafitra ny faritra Menabe ny kaominina ambonivohitr’i Morondava. Ho an’i Morondava manokana, ani­san’ny mampiavaka azy ny […]

Fahatsiarovana ny 13 mey 72 : Hamafisina ny fandriam­pahalemana eto Antananarivo

13 mey 1972 – 13 mey 2025. Feno 53 taona katroka anio ny hetsi-bahoaka teo anoloan’ny Lapan’ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra, nitarika ny fiafaran’ny Repob­lika I, izay namoizana ain’olona ampolony. “Tsy maintsy mailo ihany amin’ny fitandroana filaminana. Satria betsaka ny ambana”, hoy ny prefet de Police, Antananarivo, ny jeneraly Ravelonarivo Angelo, […]

Rabary Paul : “Mila mazava ny drafi-pandaminana ny Base Toliara”

Hatramin’izao, mbola ma­habe resaka ny tetikasa Base Toliara. Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina sady filohan’ny antoko Ny Fireneko, Rabary Paul : “Tsy ny tetikasa Base Toliara no ratsy fa ny drafi-pandaminana eo amin’ny paikady fampandrosoana nasionaly mifandray amin’ny fampandrosoana ifotony no mila mazava. Io àry fa misitraka fampandrosoana tokoa ny […]

Rafidison Ismael Sophie: Mila kojakojaina ny fotodrafitrasa efa vita

Sambany teo amin’ny tantara isam-paritra no nisian’ny fikambanam-behivavy hisehatra amin’ny fikojakojana ny zava-bita, toy ny fotodrafitrasa, eo amin’ny faritra sy ny distrika ary ny kaominina misy azy Fantatra izany nandritra ny hetsika voalohany nasehon’ny fikambanam-behivavy “Anakaviny Zaman-jaza”, izay efa mijoro isaky ny distrika miisa fito mandrafitra ny faritra Atsi­nanana ary […]