Hisy ny velakevitra momba ny haisoratra, hotontosaina rahampitso, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Ireo andrarezina amin’izany no hitarika, ahitana an’i Jean Nalisoa Ravalitera, hamakafaka ny lohahevitra « Literatiora marolafy, mifanaraka amin’ny vanim-potoana », sy Ranoe, hitondra ny « Mpanoratra marojery mandrafitra zavakanto». Hiverina hiaraka an-tsehatra ve ry zareo […]
Mois : mai 2025
Fiaraha-miasa MCC – Filatex : Nahazo jiro ny zaridain’Anatirova
Fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny tsy miankina sy ny fanjakana. Tontosa omaly ny fifanaovan-tsonia eo amin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera amin’ny alalan’ny Ofisin’ny Rovan’i Madagasikara (Ormada) sy ny vondron’orinasa Filatex. Mahakasika ny fanatanterahana ny tetikasa fanazavana ny zaridaina sy ny lalana ao Anatirova izany, amin’ny alalan’ny fametrahana jiro mahenika […]
Rossy : « Hetsika mampivondrona ny Tapôlakaglady »
Hiverina ny « Tapolakaglady »! Vaovao lehibe ho an’ny mpankafy ny tarika Rossy, indrindra ireo efa niaina ny hetsika, izany. Ivoizana soatoavina, dia ny fampivondronana izy ity. «Glady, midika hoe goavambe. Any amin’ny fitaovana aloha, mpiandraikitra ny fanamafisam-peo raitra sy matanjaka eto Madagasikara ireto mivondrona ireto. Toraka izany koa ny lafiny kilalaon-jiro, […]
FANTINA sy FINTINA
Nambaran’ny birao politikan’ny TGV, Sahondrarimalala Marie Michelle, fa antoko lehibe sy matanjaka ity naorin’ny filoha Rajoelina Andry ity. Nivoitra izany tamin’ny fihaonamben’ny TGV ho an’ny faritra Atsinanana, natao ny faran’ny herinandro teo. Hitohy any amin’ny faritra hafa izao fanomezana aina ny antoko izao. Miady an-trano ny mpitondra fanjakana ankehitriny, araka […]
MFFT sy ny tetikasa Mionjo: Nofanina hitantam-bola ireo ben’ny Tanàna
Mitohy hatrany ny fampiofanana tanterahin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ho an’ ireo ben’ny Tanàna. Nisitraka izany ireo ben’ny Tanàna miisa 106 any amin’ny faritra Anôsy sy Androy, ny herinandro teo. Anisan’ny niompanan’ny fampiofanana ny dingana amin’ny fampiasana ny famatsiam-bolan’ny Banky iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny tetikasa […]




