Mois : mai 2025

VAOVAO TAMBATRA

Natao ny 5 mey teo ny fanaraha-maso ny asa any amin’ny RN12. Mirefy 2 km ny asa fanarenan-dalana natao any amin’ny kaominina Ambila, eo anelanelan’ny tanànan’i Manakara sy Fitovinany. Tanteraka izany, vokatry ny fandaharanasa Defis, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), vatsian’ny Fida miaraka amin’ny UNOPS vola. […]

Fandoavam-bola niomerika: Manohana ny fanjakana ny Airtel Money

Nampahafantarina ofisialy ny 9 mey teo, ny fiaraha-miasan’ny Airtel Money sy ny Rafitra fifanakalozam-baovao hitantanana ny vola miditra amin’ny fanjakana ankoatra ny hetra (SIGRNF) eo anivon’ny Fitantanana foibe ny sampana informatika ao amin’ny Tahirimbolam-panjakana, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitanta­nambola (MEF). Azo aloa amin’­ny Airtel Money ny saran’ny […]

Fonja sy akany: Tohana avy amin’ny Sekreteram-panjakana

Tonga teny amin’ny akany Mandrosoa Anjanamasina, Alakamisy Anosiala, toby fanabeazana sy fanarenana ireo zaza nania, ny sekreteram-panjakana misahana ny Fahaleo­van-tena ara-tsakafo (SESA), Razanamahefa Tahian’Ny Avo, sy ny ONG Tetikasa Ankizy Krismasy, ny 10 mey teo. Nizarana sakafo ara-pahasalamana ny ankizy miisa 79 beazina ao an-toerana, niampy kilalao, boky fitaizana sy […]

Faritra Sofia: Manan-danja amin’ny tsenan’ny karbôna ny ala honko

Havokavoky ny karazan-javamananaina eto Madagasikara ny faritra Sofia. Resy lahatra ny talem-paritry ny Tontolo iainana (Dredd) any an-toerana, ny Dr Manantsoa Clermond, fa tombontsoa maro no ateraky ny fiarovana azy ireny, toy ny ala honko. Manan-karena amin’ny lafiny tontolo iainana ny faritra Sofia. Faharoa, midadasika indrindra, aorian’Atsimo Andrefana. Mahatratra 450 […]

Famokarana tongolo: Ividianana fitaovana ny tombom-barotra

Mananosarotra ny fitadiavana famatsiam-bola ho an’ireo mpamokatra tongolo enti-mampiroborobo ny famokarana. Sakana ny fahazoana fampitaovana hanatsarana ny fihariana, voatery atao sorona ny tombom-barotra ahafahana misitraka fitaovana sy fotodrafitrasa. Mazàna, sakana ho an’ny fampiroboroboana ny famokarana ny olan’ny famatsiam-bola sy ny fitaovana enti-miasa. « Ho an’ny mpisehatra amin’ny tongolo dia voatery ny […]