Manamarika ny Andron’ny 13 mey i Madagasikara, anio. Andro mirakitra ny tolom-bahoaka namadihana ny tantaram-pirenena. Tolona niampitan’ny Repoblika voalohany nankany amin’ny revolisionina mena. Nanomboka teo no nitsimbadibadika ny fironana politika sy ny ideolojia novoizin’ireo nilaza fa tena tia tanindrazana. Hatreto, tsy hita be ihany ny tena fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka. […]
Mois : mai 2025
Tolo-kevitry ny loholona : Harovana amin’ny asany ireo ben’ny Tanàna
Nandray ireo ben’ny Tanàna avy amin’ny faritra Analamanga, omaly, amin’ny maha mpiahy azy ireo ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ny tetsy amin’ny Antenimierandoholona. Voaresaka ny momba ireo mpitantana eny ifotony. Nambaran’ny loholona, Rakotondrazafy Lalatiana, anisan’ny nitondra ny tolo-kevitra, fa rariny raha harovana eo am-panatanterahana ny asany ireo ben’ny Tanàna. “Mba tsy ho […]
TSELATRA
Takalonaina telo mianaka votsotra teny am-pelatanan’ny mpaka an-keriny tao amin’ny kaominina Ambohibary Vohilena, distrikan’Anjozorobe, ny 9 mey teo. Nalain’ny olon-dratsy ny alin’ny 16 avrily lasa teo ireo olona ireo. Nokasaina hangalana vola ny fianakavian’ny lasibatra saingy tsy nahomby ny teti-dratsy. Mpitandro filaminana telo namoy ny ainy nandritra ny fifampitifirana tamin’ny […]
Vazaha mivady voaroba: Voasambotra tany anaty ala ny mpiambina
Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny mpiambina roa lahy tao amin’ny trano fonenan’ny teratany vahiny iray sy ny vadiny, tao amin’ny kaominina Antanamitarana, distrikan’Antsiranana II, ny alahady 13 mey teo. Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ ny trano fonenan’io raim-pianakaviana io sy ny vadiny. Dimy lahy niditra an-keriny ka nampihatra herisetra avy hatrany. […]
Fifamaliana : Lehilahy maty voatsindrona antsy
Lehilahy iray 17 taona maty notsatohan’ny namany antsy, tany amin’ny tsenan’ i Bejofo, fokontany sy kaominina ambanivohitra Ankadinondry, distrikan’i Tsiroanomandidy, faritra Bongolava, afakomaly. Hitan’ny olona nifamaly sy niady ny lehilahy roa tao amin’io tsenan’i Bejofo io, tokony ho tamin’ny 6 ora sy 20 minitra hariva. Nandray antsy ny iray tamin’izy […]




