Mois : mai 2025

Faritra Atsimo Atsinanana : 85% ny taham-pitsirian’ny zana-kazo novolena

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fanombohana ny Androm-pirenena ho fikolokoloana sy fanaraha-maso ny zana-kazo voavoly ho an’ny faritra Atsimo Atsinanana, tao Agnilobe, fokontany Ampo­roforo, kaominina Amporo­foro, distrika Farafangana. Fanombanana sy fanisana ny zana-kazo mitsiry, fanadiovana ny fototry ny zana-kazo, fanondrahana ary fanamboarana aro afo no asa natao nandritra izany. […]

EPS- BEPC : Mandray mpiadina 4 334 ny Kianjan’Isahafa

Ambohi-pihaonan’ny mpiadina fanatanjahantena amin’ny BEPC nanomboka omaly, ny tao amin’ny Kianjan’Isahafa, ao Anosy Avaratra. Avy amin’ny Zap 11, anatin’ny Cisco Antananarivo Avaradrano, ireo mpianatra manao ny fanadinana. Mpiadina miisa 4 334, avy amin’ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana amin’ny tapany avaratra no miatrika izany. Tafiditra ao ireo mpiadina avy […]

Filoha Rajoelina Andry : tokantrano miisa 7 200 nisitraka vatsy tsinjo

7 200 ny tokantrano nahazo Vatsy Tsinjo, omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Tafiditra amin’ny fiahiana ny sosialim-bahoaka, vinan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, izany. Miverina ny fizarana Vatsy Tsinjo avy amin’ny fitondram-panjakana. Nanome fiahiana sosialy manokana ho an’ny mpianatra hanala CEPE sy fianakaviana 7 200 ny filohan’ny Repoblika. Nahazo ny […]

Governoran’ny Faritra Atsinanana: “Mibosesika ny mpandraharaha vahiny hampiasa vola”, hoy Rakotovao Andry

Anisan’ny faritra manana ny hoaviny amin’ny lafiny fampandrosoana ny ao Atsinanana. “Tsy mijanona ho renivohitry ny toekarena fotsiny i Toamasina, afaka dimy taona dia hiova tanteraka noho ireo tetikasan’ ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry”, hoy ny governora mpisolo toerana, Rakotovao Andry. Gazety Taratra (*): Valo volana taorian’ny nametrahana anao ho […]

Hanatontosa ny “Tohan’aina” : Mandalo eto ny Miss sy Mister malagasy diaspora

I Kevina Volazara no Miss malagasy raha toa ka i Yanisse Jafari no Mister malagasy 2025. Mandalo aty an-tanindrazana izy ireo, ary nihaona tamin’ny mpanao gazety ny sabotsy teo, tetsy Antaninare­ni­na. “Fitsidihana efa fanao isan-taona izy ity, ho an’ny Miss sy Mister malagasy. Ha­natontosa ilay tetikasa “Tohan’ aina” no tena […]