Tsy araka ny nandrasana ny vokatra tamin’ny “Madaghost Show”. Noheverina ho tokony anisan’ireo seho goavana ity niseho omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ity. Tarika 20 be izao no nalahatra, saingy tsy maro toa izany kosa anefa ireo mpankafy namaly ny antso. Mpanakanto heverina fa tian’ny tanora amin’izao fotoana izao […]
Mois : mai 2025
Novelomin’ireo tanora : Mitoetra ny kanton’i Bessa
Tsy azo lavina, mbola mitoetra ary tsy ho lefy laza vetivety ireo hiran’i Bessa. Voaporofo indray izany, nandritra ny fampisehoana izay nitranga tetsy amin’ny CCEsca Antanimena, omaly. I Mahery no nanao ny feon-dehilahy ary i Faniry Raelison, Nanie ary i Farakely kosa no nifarimbona tamin’ny feom-behivavy. Nosafidian’izy ireo manokana ireo […]
Mpilalao tantara an’onjampeo: Nodimandry i Saholy Rakotonanahary
Nanana ilay feo miavaka, nahay niangaly izay toerana notazoniny tao anatin’ireo tantara fihaino rehetra nandraisany anjara i Saholy Rakotonanahary. Maty namela mamy izy. Misaona indray ny kanto malagasy. “Lasa i Saholy Rakotonanahary ry zareo. Namoy namana iray isika… Efa ela ihany no tsy nandrenesanareo ny feony niaraka taminay. Efa tao […]
VAOVAO TAMBATRA
Miisa 63 567 ireo mpizahatany tonga teto Madagasikara nandritra ny telo volana voalohan’ny taona 2025. Tafakatra 780 626 430,4 tapitrisa dolara na koa 3 548 598 190 414,5 Ar ny vola azo avy amin’ny ity sehatra ity nandritra ny taona 2024, izay nandraisana mpizahatany mitotaly 316 873. Mandray anjara amin’ny fampiroboroboana ny toekarena sy miteraka asa ny fizahantany. […]
SIGNRF – Fitantanana : Manamora ny fandoavam-bolam-panajakana
Dingana vaovao ao anatin’ny politikam-pitantanana ny volam-panjakana ny fampiasana ny niomerika sy ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina. Nampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny zoma teo, teny amin’ny Novotel, ny fitaovana ahafahan’ny olon-tsotra mandoa ireo vola tokony ho aloany eny anivon’ny biraom-panjakana ankoatra ny hetra. « Système d’information de gestion des recettes […]




