Mois : mai 2025

TSELATRA

Notafihin’ny jiolahy miisa telo ny sabotsy lasa teo, ny lehilahy iray mpanao Cash point tany Begavo I, Ambanja. Efa handeha hody izy no nambanana sy notifirin’ny iray tamin’ireo olon-dratsy tamin’ny basy. Voan’ny bala teo amin’ny sorony havanana sy ny saokany io lasibatra io. Lasan’ireo jiolahy ihany koa ny vola 2 […]

Mpiasa an-trano tetsy Ambohijanaka : Nanorenany tokantrano ireo entana nangalariny

Lehilahy sy vehivavy roa voasambotry ny zandarimaria miasa eo anivon’ny tobim-paritra Andoharanofotsy, afakomaly. Nitokisan’ny mpampiasa azy nandritra ny telo taona io lehilahy io. Na­hatsapa fahabangan’ny entana tao an-trano anefa ny tompon-trano. Nihena tsikelikely ireo fitaovana tao an-tokantrano. Nanjavona hatramin’ny kidoro sy lovia. Nampiahiahy azy rahateo ny fihetsik’io lehilahy mpiasa tao […]

Ambodin’Isotry: Lehilahy iray tratra nanao sinto-mahery

Voasambotry ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny kaomisaria Isotry, ny lehilahy iray 23 taona, afakomaly ta­min’ny 7 ora sy 45 minitra. Tratra nanao sinto-mahery findain’olona teo akaikin’ny Bazar-Ma Ambodin’Isotry izy io. Efa nisy polisy nanao fanamiana sivily nanara-maso teny amin’ny manodidina ka nahafahana nisambotra ity farany. Nisy olona lasibatry ny […]

Minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina: “Aoka ny mpanao gazety ho sarotiny amin’ny asany”

Notanterahina tany Morondava ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Nanatrika izany ny minisitra Volamiranty Mara Donna. Nanafatrafatra ny mpisehatra amin’ny asa fa­naovan-­gazety ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Volamiranty Mara Donna, afakomaly, tany Moron­dava . “Aoka mba ho saropiaro amin’ny asantsika isika. Tsy hamela na […]