Mois : mai 2025
Taranja tolona : Lany ho sekretera jeneraly mpanampy R. Mamitiana
Notanterahina ny 28 avrily lasa teo, tany Casablanca, ny fifidianana izay ho filohan’ny taranja tolona eto Afrika, sy izay ho mpikambana vaovao anatin’ny rafitra federaly. Lany ho anisan’ireo anaty birao miasa amin’ity taranja ity, eto Afrika, ary mitazona ny andraikitrin’ny sekretera jeneraly mpanampy Raveloson Mamitiana Nestor, filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja […]
BEPC – EPS: Vonona handray ny kianja eny Isahafa
Eo am-pikarakarana ny fandraisana ireo mpiadina amin’ny taranja adina ara-panatanjahantena amin’ny fanadinam-panjakana BEPC, amin’izao fotoana izao, ny mpiandraikitra ny Cisco Antananarivo Avaradrano. Hotanterahina ny 12 ka hatramin’ny 16 mey ho avy izao ny adina eny amin’ny kianja ao Isahafa sy eny amin’ny kianjan’ny fikambanana Akamasoa. Manala fahasahiranana tanteraka ho an’ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Notontosaina ny talata sy ny alarobia lasa teo, ny lalao mandroson’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra «Ligue des Champions 2025». Efa tsara toerana amin’izany, ny Paris Saint Germain, frantsay, izay nandresy ny Arsenal, anglisy, tany Angleterre, ny talata lasa teo. Nisaraka ady sahala, 3 no ho 3, […]
Futsal vehivavy – CAN 2025: Laharana fahenina ny Barea Ladies
Nifarana teo amin’ny laharana fahenina ny dian’ny Barea Ladies, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra lalaovina anaty efitrano na ny Futsal. Fihaonana, notanterahina tany Maroc. Ny talata lasa teo, niondrika teo anatrehan’ny faraonan’i Ejipta, tamin’ny isa 4 no ho 2 ny tovovavin’ny Barea de Madagascar nandritra […]




