Mois : mai 2025

Dihy ara-panatanjahantena : Nomen’ny ligy fahatokisana R. Rijamanitra

Tontosa ny fiandohan’ity herinandro ity, tany Antsirabe, ny fifidianana izay hitantana ny Federasionina malagasin’ny dihy ara-panatanjahantena, ho an’ny efa-taona manaraka. Lany tamin’izany, Randrianarisoa Rijamanitra. Ligy 7 no nandray anjara tamin’ity fifidianana ity, nahitana ny ligin’i Diana, Boeny, Analamanga, Atsinanana, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony, ary Atsimo Andrefana. Kandida 3 kosa no nilatsaka […]

Randriamanampisoa Alfred : Voatendry ho kaomitim-panatanteraky ny Cosafa

Nanapa-kevitra ny hanampy ny mpiara-miasa aminy, ny kaomity misahana ny baolina kitra aty amin’ny faritra Atsimon’i Afrika, Cosafa. Nantsoin’izy ireo hanatevina ny ekipany, ny filohan’ny Federasionina Malagasin’ny Baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred. Manana solontena malagasy, ny kaomitim-panatanteraka (CE) eo anivon’ny Cosafa, amin’izao fotoana izao. Araka ny vaovao voaray, omaly, ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Natao, omaly, ny fanatsarana ny lalana eny Analakely. Mirefy 100 m eo ho eo no natao, miainga eo amin’ny tranombarotra Super U hatreny amin’ny vavahadin’ny kaominina CUA. Nokikisana ny godirao teo aloha ary nosoloina vaovao. Manatanteraka ny asa ny Colas, manohy ny efa natao teo aloha. Hiara-kiasa ao anatin’ny fandaharanasa […]

Vovonana Fiharoa: Iraisan’ny mpomba sy ny mpanohitra ny tetikasa Base

Natsangana, ny herinandro lasa teo, ny vovonana Fiharoa any amin’ny kaominina Ankilimaliniky sy Tsianisi­ha. Natao handrindra ireo mpomba sy mpanohitra ny tetikasa Base Toliara. Ahafa­hana mifampidinika sy mifanakalo hevitra eo amin’ny mponina eny ifotony. Mba hisian’ny fitakiana miray feo sady hiarahana misitraka ny tombontsoa azo amin’ny orinasa Base. Nisantatra ny […]