Mois : mai 2025

Banky Foiben’i Madagasikara : Hanamora ny fandoavam-bola ny e-Ariary

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny Lapan’ny tanàna, omaly, ny e-Ariary. Fandoavam-bola vaovao niomerika ataon’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) hanenana ny fikirakirana vola taratasy sy vy eto Madagasikara. Tanterahina ao anatin’ny 10 volana ny andrana hampiasana ny e-Ariary hiarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa avy amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. […]

Fandaharanasa Afafi Centre : Nitombo 138% ny vokatra

Nahomby ny fanohanan’ny tetikasa Afafi Centre seha-pamokarana maro mahakasika faritra telo. Eo am-pandinihana ny andiany faharoa ankehitriny. Nanomboka ny taona 2020 hatramin’ny 2025 ny tetikasa Afafi Centre. Mitentina 12 tapitrisa euros ny famatsiam-bola avy amin’ny Vondrona eoropeanina, tamin’ny alalan’ny Fed andiany faha-11. Manatanteraka azy ny Birao tantsoroka ho an’ny fiaraha-miasa […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina ny 30 sy 31 mey ary ny 1 jona izao, any Toamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja beach-volley, ho an’ny taona 2025. Eny amin’ny torapasika, eo ampitan’ny Hopitaly Be no hanaovana ny fifaninanana mandritra ny 3 andro. Ho feno tanteraka ny fandaharam-potoana ho an’ny taranja Jiu-jitsu, mandritra ny […]

Karting –Mada 2025 : 25 ireo mpanamory hiady ho lohany

Miisa 25 ireo mpanamory nisoratra anarana hiady ny 1er Grand Prix, taranja karting. Fifaninanana hotanterahina rahampitso alahady 25 mey, eny amin’ny circuit SRK Imerintsiatosika. Mikarakara izany ny klioba Serana Racing Kart. Anisan’ireo hiarika ity dingana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity Razafindratsimba Mbolara, mpanamorin’ny klioba FMM­SAM, ao amin’ny sokajy Elite […]

“FIBA 3X3 Women’s Series”: Handray anjara i Madagasikara

Anisan’ny afaka mandray anjara amin’ilay fandaharanasan’ny Fiba, natokana ho an’ny vehivavy mpanao basikety, 3×3, eto Afrika i Madagasikara, amin’ny maha tompondakan’i Afrika 3×3 ny Ankoay. Araka izany, handray anjara amin’ny “Fiba 3X3 Women’s Series” ny ekipa malagasy, sokajy vehivavy. Raha ny fandaharam-potoana, hizara dingana telo ity fandaharanasa ity ka ny […]