Mois : mai 2025
« Forum de l’orientation et de l’employabilité”: Hitarihana ny tanora amin’ny sehatry ny asa
Tanterahina omaly sy anio, etsy amin’ny foiben’ny Programme sésame Ambatoroka, ny « Forum de l’orientation et de l’employabilité », andiany fahasivy. Manodidina ny 50 mahery ireo orinasa sy ivontoeram-panofanana miara-miombon’antoka sy mandray anjara. Manao fifampizarana amin’ny tanora tonga eny an-toerana, mahakasika ny tontolon’ny asa izy ireo. Maro ny zavatra hita eny, toy […]
Filoha Rajoelina Andry : Nanohana ny fikambanam-behivavy ao Nosy Be
Hampiroboroboana ny fandrasain’ny vehivavy anjara amin’ny sehatra ara-tsosialy ao Nosy Be, nanolotra fanampiana manokana ho an’ireo fikambanana misy ao an-toerana, ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Misehatra amin’ny asa fivelomana maro samihafa, samy manana ny fikambanany, ny ankamaroan’ireo vehivavy monina ao an-toerana. Anisan’izany, ireo vehivavy ao amin’ny fikambanana Tia Fandrosoana. Mifantoka […]
VAOVAO TAMBATRA
Handray anjara amin’ny fihaonambe Dubaï Business Forum ny 27-29 mey, any Dubaï, Emirats Arabo mitambatra, ny delegasiona malagasy. Tanjona ny hampiroborobo ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy ny Emirats Arabo mitambatra. Hasongadina ny fahafaha-mampiasa vola amin’ny sehatra lehibe toy ny fotodrafitrasa, ny fambolena, ny angovo ary ny […]
Fadin-tseranana : Mahomby tanteraka ny fitiliana ataon’ny alika
Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny andiany faharoa, ho an’ny Borigady ho an’ny alika (Brigade canine) ao amin’ny Fitantanana foibe ny haban-tseranana malagasy (DGD). Ahitana alika miisa 7 ity andiany ity, miaraka amin’ny mpibaiko sy mpitarika roa avy. Karazany telo ny fahaiza-manao manokana niofanana, ny fitiliana sy famantarana anaty valizy […]




