Mois : juin 2025

Ambodimita : Vehivavy 71 taona nahatrarana vola sandoka

Vaviantitra 71 taona nahatraran’ny polisim-pirenena vola sandoka teny Ambodimita, boriborintany fahenina, ny alakamisy 12 jona teo. Mitety tsena, mody mividy zavatra no fomban’ireo olon-dratsy manaparitaka io vola sandoka io. Niandry andro ho maizimaizina, nilaza hametraka vola mite­tina 320 000 Ar ho ao anaty findainy teo amin’ny Cash point iray io ramatoa […]

Olona telo hatolotra ny fampanoavana : Lehilahy notrobatrobarana tamin’ny zava-maranitra

Maty novonoin’ny mpiray tanàna taminy ny raim-pianakaviana iray, tamin’ny alarobia teo. Olona telo voasambotry ny zandary. Hiakatra fampanoavana anio ireto ahina ho tompon’antoka. Hatolotra ny fampanoavana anio, ireo telo mianadahy voasaringotra tamin’ny vonoan’olona tao amin’ny fokontany Tsaraho­nenana, kaominina Alakamisy Anosiala, distrikan’Ambo­hi­dratrimo. Voatsatoka vy maranitra teo amin’ny tratrany sy ny tendany […]

Toekarena manga : Hamafisina ny fiaraha-miasa maharitra

Hamafisina ny fiaraha-miasa misy sy iraisan’ny rehetra, havaozina ireo paikady enti-miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro ary hahetsika ny famatsiam-bola maharitra sy mitombina. Nivoitra ireo nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, Tilahy Désiré, tamin’ny fikaonandoha fahatelon’ny Firenena mikambana mahakasika ny ranomasina (UNOC3), natao tany Port Lympia, Nice […]

VAOVAO TAMBATRA

Very hevitra ny mpandraharaha madinika manoloana ny fahatapahan’ny herinaratra. Misy ireo voatery nampitsahatra ny famokarany. Ao koa ireo nidi-trosa hividianana “groupe électrogène” hanohi­zana ny asa sahanina. Mihena ny mpanjifa na eo aza ny ezaka atao, mihena ihany koa ny fidiram-bola izay mampikoroso fahana ny toekarena. Marihina fa mandray anjara betsaka […]