Natao ny 12 jona teo, teto Antananarivo, ny atrikasa nokarakarain’ny Vovonana Fiarahamonim-pirenena ho an’ny ankizy (PFSCE) sy ireo fikambanana samihafa ao anatiny. Lohahevitra ny hoe « Fampiasana ankizy, atsaharo ». Nandray anjara tamin’ny famelabelarana sy ady hevitra ny Kaomitin’ny ankizy, mpikambana ao anatin’ny PFSCE, ny fikambanana « Terre des Hommes », ny manampahaizana avy […]
Mois : juin 2025
Fahavitan-tena ara-tsakafo: Vahaolana ny fambolena vary safiotra sy ny Agripole
Anisan’ny naverimberin’ny solombavambahoaka ny hanapariahana ny fambolena vary safiotra manerana ny Nosy. Eo koa ny fambolena vaventy, ny tetikasa Agropole. Maro ny solombavambahoaka nankasitraka ny ezaky ny Sekreteram-panjakana misahana ny fahavitan-tena ara-tsakafo (Sesa), toa an-dRakotomalala Miarintsoa, depiote voafidy tao Ambatolampy, nandritra ny fihaonan’ny governemanta sy ny Antenimierampirenena, ny 12 sy […]
SOMBIM-BAOVAO
Araka ny fanambarana nataon’i Rinjala Elihary, omaly, tao anaty tambajotran-tseraserany, nifindra klioba tao amin’ny FC Bulle, diviziona fahatelo any Suisse, izy. Tsiahivina fa tao amin’ny CS Chênois, izy teo aloha, ary manana ny lazany any Suisse amin’izao fotoana izao. Mpilalao tahaka itony, mendrika ho antsoina andrafitra ny ekipam-pirenena Barea. Hotontosaina […]
« CAN 2025 »: Hanala vela amin’ny Springboks ny Makis Ladies
Hifarana rahampitso alahady, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby, vehivavy (Can 2025) ao anatin’ny sokajy “performance”. Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra amin’ ity andro fahatelo ity ny fihaonan’ny Makis Ladies de Madagascar sy ny Springboks Afrika Atsimo. Hanala vela amin-dry zareo Afrikanina tatsimo ny […]
“Women’s Serie” : Ratsy fanombohana ny Ankoay
Niaka-tsehatra voalohany, omaly, ny ekipa malagasy Ankoay, sokajy vehivavy, niatrika ny fifaninanana “Women’s Serie”, taranja basikety 3×3. Fifaninanana tontosaina any Viennes. Ratsy fanombohana ny Malagasy raha ny voka-dalao, omaly. Resin’ny CS Rapid Bucharest tamin’ny isa 21 no ho 8 ny Ankoay, nahitana an’i Muriel, Sydonnie, Christiane ary i Chine. Tsiahivina, […]




