Mois : juin 2025

TARATRY ny KANTO

Hanomboka anio ny « Hadimiana San­dra­tra ». Tohin’ny fanamarihana ny « Iray volan’ny teny ma­la­gasy » izy ity, izay karakarain’ny Faribolana Sandratra. Mandritra ny dimy andro ny hetsika, etsy amin’ny efitrano Dox, Tranombokimpirenena Anosy. Hisy ny seho ara-javakanto, aorian’ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy, anio amin’ny 2 ora sy sasany. Rahampitso kosa ny velakevitra voalohany, […]

“Loko iray”: Seho hafa ho an’ny tanora

Misy endri-tseho maro, hikendrena ny tanora. Iray tamin’ ireny ny “loko iray”, notontosaina ny alahady teo, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Nate Tex, Njara Marcel, Nampoina, Ayam ary Johanne. Tarika tanora, ankafizin’ny tanora, fa milalao mozika manara-penitra avokoa. Nanokatra ny seho ilay hira tambatra, niarahan’ireo tarika. Samy nitondra ny azy […]

Rugby vehivavy – CAN 2025 : Nomontsanin’i Kenya ny Makis Ladies

Rendrika tanteraka ny Makis Ladies, nandritra ny andro voalohany niadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2025), taranja rugby ho an’ olona 15 sokajy «performance». Fihaonana notanterahina ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja Andohatapenaka. Re­sin’ny Liona-n’i Kenya tamin’ ny isa mazava 28 no ho 5 izy ireo. Nofehezin’i Kenya hatramin’ny […]

Baolina kitra fanomanana: Resin’i RD Congo ny Barea

Nitolefika nanoloana ny Leopards-n’i RD Congo ny Barea de Madagascar, nandritra ny lalao fihantsiana natao tany Orleans France, ny alahady lasa teo. Niondrika tamin’ny isa 3 no ho 1 ny Malagasy. Vokatra, nandiso fanantenana ny mpankafy baolina kitra teto Madagasikara. Nosahiranin’ny Kongole ny mpilalao malagasy. Nanantombo teo amin’ny famezivezena ny […]