Hotanterahina ny 28 jona sy ny 5 jolay ho avy izao, etsy amin’ny Kianjan’ny Hiragasy Ampefiloha, ny hetsika “Festival Ako Akoho”. “Dona be andiany fahatelo”, amin’ny resaka fampiadiana akoho. Ny 6 jolay ho avy izao, hitohy eny amin’ny Gymnase Besarety, ny famaranana an’izany. Nambaran’ny filohan’ny Ako Akoho, Harim Andriamahaleo, fa […]
Mois : juin 2025
Rakotomalala Marcel: «Tsy mbola nisy Makis tsy nifaninana izany»
Nioty vokatra tsara ary nampakatra avo ny lazan’ny baolina lavalava indray ny Makis de Madagascar. Voahosotra ho tompondaka lefitra aty Afrika ary nahazo ny tapakila hiatrehana ny «Circuits mondiaux 2026». Nanambara ny zava-misy Rakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby. Gazety Taratra (*): Ny vokatra azon’ny Makis tatsy Maurice ve afaka hilazana […]
Tarika Reko Band: hiseho ao amin’ny FJKM Ambavahaditokana
Ho fiderana an’Andriamanitra noho ny fahasoavana narotsany, mikarakara fampisehoana iarahana amin’ny tarika Reko Band ny sampana Mpanazava sy Tily ao amin’ny FJKM Ambavahaditokana Fanilon’i Kristy, ny alahady 29 jona izao amin’ny 3 ora tolakandro. Hatao ao an-toerana ihany izany. Hoentina hanohanana ny fikambanana sy hanefana ny adidy masina iantsorohan’izy ireo […]
RFF sy ny FJKM Amparibe Famonjena: hitondra am-bavaka ireo mpanala fanadinana
Hotanterahina anio 25 jona, ao amin’ny fiangonana FJKM Amparibe Famonjena, ny fitondrana am-bavaka ireo mpanala fanadinana sy vavaka ho an’ny tanindrazana. Hetsika fanao isan-taona, karakarain’ny Rantsana fialamboly sy fanatanjahantena (RFF). Hiavaka ity andiany faha-23 ity, satria, handray anjara ny antoko mpihira Anjomaran’ny Fitiavana Tranovato Toamasina, tarihin’ny mpitandrina Barinarivo, filoha synodaly […]
Avy nisehatra tany Antsiranana: nodimandry i Johnny Bass de Madagascar
Maloka indray ny tontolon’ny mozika malagasy. Andrarezin’ny tendry gitara, indrindra ny gitara beso no lavo. Lasa nametraka tantara i Johnny. Toy ny vara-datsaka ny vaovao, ho an’ireo akaiky azy. Nodimandry omaly maraina Zafimahery Johnny, fantatry maro amin’ny anarana hoe Johnny Bass de Madagascar. Araka ny fampitam-baovao voaray, avy nanatontosa fampisehoana […]




