Nahazo ny mari-pankasitrahana iraisam-pirenena Airport Carbon Accréditation (ACA) sokajy 3, ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Antananarivo sy Nosy Be avy amin’ny Airport Council International (ACI). Tanteraka izany vokatry ny ezak’ity orinasa ity, nampihena ny fanapariahana ny entona karbona CO2 amin’ny fitantanana ireo seranam-piaramanidina roa amin’ny fomba maharitra. Efa vitan’ny Ravinala Airports ny […]
Mois : juin 2025
Fifandraisan-davitra satelita: tafakatra 2 tapitrisa Ar ny famandrihana
Midangana ny saran’ny famandrihana apetraky ny orinasa fifandraisan-davitra avy amin’ny zanabolana iray. Fanapahan-kevitra, heverin’ny mpanjifa ho tsy fitsinjovana azy ireo. Maro ny mpanjifa nitaraina, hita anaty tambajotra sosialy, mahakasika ny fiovana tampoka ataon’ny orinasa iray manana tolotra internety amin’ny alalan’ny satelita. Mandray fanapahan-kevitra samirery, mampiakatra ny saran’ny tolotra, tsy misy […]
Fanadinana CEPE: Cisco maherin’ny 100 no efa namoaka vokatra
Tsy niandry ela fa ny faran’ny herinandro teo ihany dia efa nivoaka ny voka-panadinana CEPE tamin’ireo Cisco marobe manerana ny Nosy. Efa Cisco an-jatony no namoaka izany, miankina amin’ny isan’ny mpianatra sy ny isan’ny mpikirakira ny vokatra no hahafahana manao izany malaky. Anisan’ny namoaka izany haingana ho an’ny teto Analamanga, […]
HJRA: nankaherezina ireo voapoizina
Tonga tetsy amin’ny HJRA, nanohana ireo olona narary vokatry ny famosaviana nandritra ny fety fankalazana tsingerin-taona nahaterahana ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, ny faraparan’ny herinandro teo. Olona 26 no nomena tohana nahitana fehezan-karona misy ireo vatsy sy nankaherezina tamin’ izany. Nisy koa ny vatsim-panahy netin’ny mpitandrina […]
CHUSSPA Analakely: napetraka ny rafitra ara-kajy mirindra manara-penitra
Mivoatra manaraka ny teknolojia moderina ny fomba fandraisan’olona ao amin’ny CHUSSPA Analakely na ny Institut d’hygiène sociale teo aloha. Napetraka ny rafitra ara-kajy mirindra manara-penitra handrindrana ny fitantanana ny hopitaly. Hanampy amin’ny fitantanana mangarahara sy manamora ny fivezivezen’ny olona mila ny tolotra ara-pahasalamana ao an-toerana ny fametrahana ny rafitra ara-kajy […]




