Nankalaza ny faha-20 taona nijoroany ny polisy kaominaly eo anivon’ny kaominina ambanivohitra Alasora, distrika Avaradrano, omaly. Nomarihina tamin’ny lanonana ara-miaramila teny amin’ny Kianja maitso izany. 20 isa ireo polisy kaominaly miasa eny an-toerana. “Tsy ampy sy tsy tena mahasahana ny filan’ny vahoaka izy ireo satria efa mananika ny 70 000 […]
Mois : juin 2025
Vondron’orinasa Viséo : Manosika ny zatovovavy hiomana amin’ny asa
Manosika ny tanora avy amin’ny fianakaviana sahirana hianatra sy hiditra amin’ny sehatry ny asa ny vondron’orinasa Viséo. Mandray mpianatr’asa tsy tapaka izy ireo ary manome vahana ny zatovovavy amin’ny sampana Mécanique auto. Tao anatin’ny telo taona farany, ny 25% ny fandraisana mpiasa dia avy amin’ireo mpianatr’asa avokoa. Tafiditra ao anatin’ny […]
Mila fahamailoana: Saro-pady ny fikirakirana sakafo
Ho fisorohana mahomby, tena tandrovana toy ny anakandriamaso ny fahadiovana. Voakasik’izany ny vatana manontolon’ny mpikarakara na ny akanjo hanaovana… Eo koa ny kojakoja ampiasaina ao an-dakozia. Andrahoina tsara ny hena, ny atody sy ny trondro. Aza averina avaingana ireo sakafo efa natsonika “décongelé”. Ariana avy hatrany ireo boatin-tsakafo efa manomboka […]
Fanapoizinana na famosaviana: Vonjy aina no tsy maintsy atao voalohany, mila hafainganina ny fitsaboana
Nampivarahontsana ny trangana famosaviana sy fanapoizinana ara-tsakafo nitranga tato ho ato. Namoizana ain’olona maro izany ka lasa mampikorontana ny sain’ny mpanara-baovao. Mitondra fanazavana ny fomba fandraisana an-tanana ireo marary tonga ao amin’ny Sampana vonjy voina tratry ny fanapoizinana ara-tsakafo ny dokotera Rakotonindriana Christ Voalohany indrindra dia ny fanavotana ny ain’ny […]
FANTINA sy FINTINA
Nolanian’ireo loholona tetsy Anosikely, afakomaly, mifidy ireo senatera ireo olom-boafidy am- perinasa. Izany hoe, ireo ben’ny Tanàna sy ireo mpanolotsain’ny Tanàna izany. Tsiahivina fa nanolotra izany tolo-dalàna momba ny fombafomba fifidianana ary ny fanendrena ireo loholona izany ny senatera Tsiebo Mahaleo. Namaly bontana ny filoha Rajoelina Andry ny mpanohitra amin’ny […]




