Nitsidika ny tanànan’i Fenoaivo, ao amin’ny distrikan’Amboasary, ny masoivohon’i Japon eto amintsika, Abe Koji, sy ny solontenan’ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam), Taina Goossens, tamin’ity herinandro ity. Nijery ifotony ny fampiharana ny fivoaran’ny tontolo ambanivohitra (RRT) izy ireo. Nampiasana paikady marolafy hanamafisana ny fahafaha-miatrika ny mponina any Atsimo. […]
Mois : juin 2025
Feno 20 taona ny FAPBM : Tafakatra 155 tapitrisa dolara ny famatsiana ireo faritra arovana
Mitombo hatrany ny fitadiavana famatsiam-bola hanohanana ireo faritra arovana eto Madagasikara ataon’ny FAPBM. 20 ny fiaraha-miasa, nahitana vokany nisongadina. Mankalaza ny faha-20 taonany ny FAPBM ary nomarihina omaly, tetsy Ankorondrano izany, niaraka tamin’ny minisitry ny Tontolo iainana, Max Andonirina Fontaine. « Ny Fondation pour les aires protégés et la biodiversité de […]
TARATRY ny KANTO
Nisokatra nanomboka omaly ny “Podium” etsy Analakely. Nanokatra ny andiam-pampisehoana ireo tanora mpanakanto toa an-dry Chantal, L JO, Malm ary i Jazz MMC. Hanohy izany, anio, kosa ry Tempo Gaigy, Simonda, Bekasety ary Arione Joy. Isaky ny hariva ity fampisehoana maimaimpoana ity. “Festival Art Maro Foko”, eny Ambohipo. Haka endrika […]
« Concert classique de midi »: Hiaka-tsehatra Ny Feon’Analamanga
Hiavaka noho ny fahita hatramin’izay ny andiany faha-160 amin’ny «Concert classique de midi». Hahazo sehatra ny kalon’ny fahiny sy ny hira malagasy. Fampisehoana hotanterahina ao amin’ny Cité des cultures Antaninarenina, ny talata 24 jona izao, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro ka hatramin’ny 2 ora tolakandro. «O! Ralila!», Dobla sento», «Sovenira», […]
« Eo an-tanako » : Seho roa miaraka amin’ny Lehilahy Midera FJKM Ambatonakanga
Tsy azo sarahina eo amin’ny tantaran’ny fiangonana kristianina ny FJKM Tranovato Ambatonakanga. Hanamafy izany ilay seho miavaka hotanterahin’ny Lehilahy Midera, mpihira eo anivon’ny Sampana lehilahy kristianina. Amin’ny alahady 22 jona izao, ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga, no hanatanterahina ny «Eo an-tanako» na ilay seho lehibe karakarain’ny Lehilahy midera, mpihira ao […]




