Mois : juillet 2025

Karate-« Afrika 2026 »: Voafidy handray ny fifaninanana i Madagasikara

Nigadona an-tanindrazana, omaly, ny delegasionina mala­gasy eo amin’ny taranja Kara­te, niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Cadet, Junior ary Senior, na­tao tany Nizeria, ny herinandro lasa teo. Ankoatra ny me­daly alimo 5 azon’ireo atleta malagasy, vaovao lehibe maro ihany koa no nentin’ny Federasionin’ny karate-do ma­lagasy avy any Nize­ria. Goavana […]

SOMBIM-BAOVAO

Manohy ny fanazarantenany hatrany ny Barea de Madagascar A’, izay miatrika ny “Chan 2025” any Tan­zanie, amin’izao fotoana izao. Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana, somary mafana ny andro raha oharina amin’ny aty Madagasikara, ary miezaka manamafy hatrany ny taktika efa napetraka ny mpanazatra sy ny mpilalao. Nihemotra amin’ny […]

Lalaon’ny CJSOI : Notoloran’ny filoha fitaovana ny atleta

Notoloran’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), izay tarihin’ny minisitra Moustapha Abdulah Marson, fitaovana ireo atleta sy teknisianina malagasy miisa 119 handray anjara amin’ny CJSOI, omaly, tetsy Mahama­si­na. Fifaninanana izay hotanterahina any Seychelles, ny 1 hatramin’ny 10 aogositra ho avy izao. Fanohanana 100 % avy amin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry […]

Tenisy ambony latabatra – «Afrique Junior»: Nivoaka ho mpandresy i Tiana sy i Riana

Tsara fanombohana ny Malagasy mpilalao tenisy ambony latabatra, teo amin’ny fifaninanana ho an’olon-tokana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy Junior. Samy nahazo fandresena avokoa mantsy i Tiana sy i Riana teo amin’ny U15, vehivavy. Manohy ny lalany, araka izany, izy ireo. Nitohy omaly alarobia, ta­ny Lagos Nigeria, ny fiadiana ny […]

Praiminisitra Joël Rakotomalala : Notsarovana ny nahafatesany

Notontosaina teny amin’ny fasan’ny Maherifo na Mauso­lée Avaratr’Ambohitsaina, omaly, ny fametrahana fehezam-boninkazo ho fahatsiarovana ny nahafatesan’ny Praiminisitra ny Kly Joël Rakotomalala sy ireo mpiara-miasa aminy. Nana­tan­teraka ny fahatsiarovana teny an-toerana ny fianakavian’ny Kly Rakotomalala Joël niaraka tamin’ny sampandraharaha miahy ireo mpiady Tia Tanindrazana, notarihin’ny taleny, ny Jly Randrianantenaina Emilson, nisolo […]