Naneho ny heviny ny mpanazatra ny Ankoay, taorian’ny lalao nifandonan’i Madagasikara tamin’ny ekipan’i Côte d’Ivoire, ny talata lasa teo. Fifaninanana tafiditra anatin’ny fanomanan-tenan’ny ekipa malagasy ho fiatrehana ny « Afrobasket 2025 » hatao any Angola, ny volana aogositra izao. “Lalao natao indrindra hijerena ny hanohizana ny lalana iny lalao iny”, hoy ny nambaran’ny Coach John Douaglin. Nifanandrina tamin’ny ekipa mihevitra ny hibata ny amboara amin’ny « Afrobasket 2025 » i Madagasikara. « Hita taratra tamin’ny endri-dalao nasehony fa ekipa tsara fanomanana ary tsy nitsitsy i Côte d’Ivoire. Nahafahan’ny Ankoay namantatra ireo rehetra mbola tokony hohatsaraina iny lalao iny », hoy hatrany ny mpanazatra. Tsiahivina fa isa 86 no ho 55 no nandavoan’ny Côte d’Ivoire an’i Madagasikara, tamin’ny lalao
fitsapana natao ny talata lasa teo, tany Paris. Natanjaka sy nanindry mafy ny Ivorianina hatrany am-piandohana, saingy nahavita nampifandanja ny lalao ny Ankoay, nandritra ny ampaham-potoana voalohany. Tsy naharitra anefa izany fa nihoaran’i Côte d’Ivoire lavitra i Madagasikara hatramin’ny
fiafaran’ny lalao. Tsiahivina, efa nisy lalao fitsapana roa nataon’ ny Ankoay tao Paris, ny herinandro lasa teo, ary nahazoany fandresena avokoa.
Mi.Raz




