Nitsidika tany Toliara, nandritra ny 4 andro, ny ambasadaoro amerikana Claire Pierangelo, ny tapaky ny volana jolay teo. Anisan’ny nanatrika ireo fivoriana maro, nandritra ny Fikaonandoham-paritra ara-toekarena ho an’Atsimo Andrefana (FER) ny tenany. Maro ny tetikasa tohanan’ i Etazonia sy ny fampiasambola amerikana any an-toerana, toy ny Energy Fuels, vao nividy ny tetikasa Base Toliara, ohatra. Nohamafisin-dRtoa ambasadaoro Pierangelo, fa tsy maintsy manaraka fenitra hentitra amin’ny mangarahara sy ny fahitsiana i Etazonia sy ny firenena mpampiantrano azy ireo. Tsy maintsy manaraka ny lalàna amerikana sy ny lalàn’ny firenena mpampiantrano ihany koa izy ireo. « Mampifanakaiky an’i Madagasikara amin’i Etazonia ny fisian’ireo fampiasam-bola amerikana », hoy ihany izy.
Tsapa fa liana sy vonona handray anjara amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy any Toliara, ny tanora, ny mpandraharaha, ny fiarahamonim-pirenena, sns any an-toerana. Nihaona tamin-dRtoa ambasadaoro koa ireo mpiara-miombon’antoka efa nisitraka ny fandaharanasa tohanan’ny governemanta amerikana. Nitafa tamin’ireo maintimolaly ny Akademia iraisam-pirenena momba ny fampiharana ny lalàna, tohanan’ny International Law Enforcement Academy (ILEA). Noresahana ny tany tan-dalàna, ny ady amin’ ny kolikoly ary ny ady amin’ny fanondranana antsokosoko ny harena voajanahary.
Njaka A.




