Mois : juillet 2025

FANTINA sy FINTINA

Tsy nitsitsy fitenenana ny depiote Gascar Fenosoa manoloana ny “Raharaha Ambohimalaza”. Aoka hajanona ny resaka politika: mpanohitra sy mpitondra fa iray ihany isika Malagasy, araka ny nambarany. “Iray ihany ny fahavalo: ity faty olona ity ka tadiavina ny fomba iadiana amin’izany. Inona ny fepetra sy vahaolana fa ho ripaka eto […]

Fijoroan’ny Obseravatoire Mahitsy fijery : “Hijoro ary ho saro-piaro amin’Antananarivo izahay”

Nampahafantatra ny fijoroan’ny fiarahamonim-pirenena, Obesrvatoire Mahitsy fijery, tetsy Analakely, ireo mpikambana ao aminy, notarihin’ny filoham-boninahitra, Ravo­lolomanana Lalatiana. Nam­baran’izy ireo fa tsy antoko politika ny fikambanana. Fia­ra­hamonim-pirenena handray ireo fitarainan’ny mponin’­ Antananarivo ary mbola hihaona amin’ny minisitra mpiahy, Andriantsitohaina Naina, sy ny ben’ny Tanànan’­ Antananarivo, Ramanantsoa Harilala, amin’ny hijerena ny hampandrosoana […]

Fisaka ny marina

  Raha misy trangam-piarahamonina mahabe resaka angamba dia ity fanapoizinana olona teny Ambohimalaza ity. Tafakatra 31 rahateo ny namoy ny ainy, mbola am-polony manaraka fitsaboana. Tsy vitan’izay fa manjaka loatra ny fikobokobononana ny fanadihadiana sy ny fizotry ny fitsaboana ny marary. Hatramin’ny fitrandrahana vaovao aza dia manahirana, manjaka loatra ny […]

Fikambanana miisa 292: “Mila saziana ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny fifidianana”

Namaly ny antson’ny Ceni amin’ny fakan-kevitra manoloana ny lalàna mifehy ny fifidianana ny fiarahamonim-pirenena. Nitondra ny heviny manoloana izany izy ireo. “Apetraka ny sazy momba ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny famatsiam-bola ny fampielezan-kevitra. Anisan’izany ny tsy fanaterana tatitra ara-bola. Mety hitarika ny fandrarana ny firotsahana amin’ny fifidianana manaraka sy fanafoanana ny […]