Tao anatin’ny herinandro iray monja, teto Toamasina, trangam-pamonoan-tena roa no niseho ka lehilahy anatin’ny fahatanorana avokoa: ny iray maty raha avotra kosa ny faharoa noho ny fahitan’ny olona azy nitsoraka tao anaty ranomasina. Sendra teny an-toerana ny tovolahy iray mahay milomano tsara ka nitsoraka nanavotra azy. Nikasa hamonono tena izy raha nohadihadiana. […]
Mois : juillet 2025
INDRAY MIJERY
Notanterahina tao Mahamasina, omaly, ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny mponina, izay notarihin’ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie. Omeo ny tanora ny fomba entiny hanorenany ny fiainam-pianakaviany, ao anatin’ny tontolo marina sy feno fanantenana. Izany no lohahevitra novoizina. Hetsika maro no nentina nanamarihana izany. Nahazo dabilio […]
Tanora sy toetr’andro: Mampiantrano fihaonambe i Madagasikara
Tanterahina eto Madagasikara, etsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina, ny 18-20 jolay, ny Fihaonamben’ny tanora avy aty amin’ny ranomasimbe Indianina momba ny toetr’andro, « Ioccy». Nanokatra izany tamin’ ny fomba ofisaly, omaly, teny an-toerana, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Moustapha Marson Abdulah. Nisongadina nandritra ny lahatenin’ity minisitry […]
Sary momba ny tontolo iainana : Nandray anjara ny CEG Andranomena
Nofaranana, omaly, ny tetikasa fifaninanana sary atao amin’ny sekolim-panjakana ka ny CEG Andranomena no nanatanterahana izany tamin’ity taona ity. Omen’ny fikambanana Maeva fampiofanana ireo mpianatry ny EPP sy CEG ka natomboka teny amin’ny EPP Ivato Village ny tetikasa ny taona 2024 ary nitohy teny amin’ny CEG Andranomena. Sekoly 35 ao […]
Mpiasan’ny fahasalaman’ny saina: Niofana momba ny « Psychoéducation familiale » (Bref)
Tontosa nandritra ny roa andro, teny amin’ny Centre Arrupe Madagascar Faravohitra, ny fampiofanana iraisam-pirenena nokarakarain’ny fikambanana Psy-kôzy Madagascar (Commission scientifique). Hetsika niarahana niasa tamin’ny “Centre Hospitalier Le Vinatier sy ny Centre de ressources en réhabilitation psychosociale any Lyon” momba ny “psychoéducation familiale na Bref”. Fandraisana an-tanana tsy ara-medikaly mipaka amin’ny […]




