Mois : juillet 2025

Kaominina dimy ao Ikongo: Tao anatin’ny roa andro, olona 164 no voatily fa voan’ny tazo

Mitohy ny fitsidihana ny tokantrano ao amin’ireo kaominina mandrafitra ny distrikan’Ikongo ha­na­di­ha­diana mom­ba ny aretina tazo sy hitiliana ny tsy fanjarian-tsakafo. Mi­ton­dra ny vokatry ny fanadihadiana teny ifotony ny Corupi. Kaominina dimy, Ikongo, Ambatofotsy, Ambina­ni­­trom­by, Belemoka ary Maromiandra, ao amin’ny distrikan’Ikongo, no sahanin’ny Centre opérationnel de réponse à l’urgence paludi­que […]

TARATRY ny KANTO

Hisy fampisehoana atolotry ny Jazz Club CGM, rahampitso, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hanampy azy ireo koa i Mendrika Rasolo­mahatratra, mpampianatra ampongamaroanaka sady mpitendry matihanina rahateo. Fotoana fizarana sehatra ity ho an’ireo mpikambana, sy fizarana traikefa koa ho an’ireo zoky eo amin’ny mozika. Efa fifampitaizana sy fotoana ifaneraserana ihany koa […]

« Follow 2025 » : Hitondra fiderana sy fiankohofana ny Jesus Union

Ny fitiavan’Andriamanitra. Io no lohahevitra nosafidian’ny Jesus Union, hanompanana ny « Follow 2025 ». Hotontosaina ny 26 jolay izao ny hetsika, manomboka amin’ny 2 ora, eny amin’ny Arena Ivandry. « Hira fiderana ho fanandratana an’An­dria­ma­nitra, izay sady arahina dihy no ho ao. Eo koa ny fiankohofana, izay fotoana hikasihan’­ Andriamanitra ny tsirairay », hoy […]

Fi.Mpi.Ma – TDA : Hampahafantarina ny « karajia »

Rahampitso alahady 20 jolay. Hotanterahina amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera « Zoom » sy Facebook ny fampitam-pahalalana « Takalo dinika amorom-patana » (TDA). Lohahevitra anisan’ny mahaliana olona maro no nofidian’ny Foiben’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany : « Ny karajia amin’ny kabary malagasy ». Hisorona ny afo amin’izany ny Dr. Rabenalisoa Ravalitera Jean, mpampianatra mpikaroka, akademisianina, birao foibe Fi.Mpi.Ma sady […]

« Memoire du Monde » : Omena lanja ny tahiry fony faha-mpanjaka

Anisan’ny mitondra any amin’ny fandrosoana ny fananana fototra. Na tsy mbola tafiditra lalina ao anatin’ny kolontsaina malagasy aza ny fikajiana ny angon-tahiry na ny tahiry. Efa zava-dehibe ny fahavitana dingana aminy. Iray amin’ireo firenena nandalo ny vanim-potoana faha-mpanjaka i Madaga­sikara. Na tsy maro be tahaka ny hita any amin’ny firenena […]