Mois : juillet 2025

Fiovan’ny toetr’andro : Hiaro ny morontsiraka ny tetikasa PAZC-2

Nampahafantarina, omaly, teto Antananarivo, ny tetikasa Fiarovana ny rohivoahary any amin’ny morontsiraka eto Madagasikara (PAZC-2). Manatanteraka azy ny Birao nasionaly ny fiovan’ny toetr’andro sy ny Redd+ (BNCCREDD+), famatsiam-bola avy amin’ny Tahirimbola ho an’ny firenena andalam-pandrosoana (FPMA), ao amin’ny alalan’ny Fan­daharanasan’ny firenena Mikambana ho an’ny tontolo iainana (PNUE). Nambaran’ny mpandrindra nasionaly […]

Korontana tany Toliara : Miverina amin’ny laoniny ny filaminana

Nanao fihetsiketsehana nataon’ny fikambanana Mazoto, ny herinandro lasa teo, nanohitra ny tetikasa Base Toliara. Niverina amin’ny laoniny ny filaminana, ary mitohy ny asa fampandrosoana. Tranga niniana natao. Nokorontanin’izy ireo ny asa fanarenana ny sekoly EPP Benetse, sy ny fanamboarana fotodafitrasa rano madio any Saririake, vatsian’ ny Fiarahamiasa japoney (Jica) ara-bola, […]

INDRAY MIJERY

Atrikasa fanadihadiana roa no natao tany An­tsirabe momba ny tsy fahampian-tsakafo mahery vaika, izay mandrakotra distrika 32. Any Atsimo (16 distrika), Atsimo Atsinanana (11 distrika), ary faritra sasan­tsasany any Atsinanana (4 distrika) sy any Avaratra Atsi­nanana ( distrika tokana). Manampy izay ny tsy fanjarian-tsakafo mahasahana distrika 12 any Atsimo sy […]

Maison centrale Sainte Marie : Hahazo fiofanana arakasa ireo voafonja

Tontosa ny fiandohan’ny herinandro teo, tao Sainte Marie, ny hetsika “Fijery Hafa”. Iray amin’ireo tetikasa entin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny vahoaka izany. Eo koa ny ho fanoha­nana ny asa mendrika eny ifotony. Nitarika ny lanonana ny minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny fanofanana […]