Notanterahina ny zoma teo, tetsy Anosy, ny fankalazana ny Andro Afrikanina iadiana amin’ny kolikoly JALCC. Anisan’ny nampahafantatra ny ezaka nataony tamin’izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana. Nambaran’ny tale jeneralin’ny raharaham-pitsarana sy ny fandinihana ny fanavaozana ny lalàna, Rakotondrajery Salohy Norotiana, nisolo tena ny minisitry ny Fitsarana ny tenany tamin’ izany. […]
Mois : juillet 2025
TSELATRA
Tratran’ny olona namaky trano iray tetsy Ambohimanala Andoharanofotsy ny lehilahy iray 50 taona, afakomaly tamin’ny 2 ora sasany maraina. Hitan’ny tompon-trano niditra antsokosoko tao an-tokantrano izy ary nifanenjehana. Tratra teny aminy ny fitaovana famakiany trano. Efa natolotra ny zandary eny Andoharanofotsy ity rangahy ity taorian’izay. Jiolahy raindahiny iray lavon’ny balan’ny […]
Nafenina tanaty fitombenana: Thailandais iray nikasa hanondrana Rubis 59,3 g
Vato sarobidy (rubis) milanja 59,3 grama, tratra tao anaty fitombenana lehilahy thaïlandais iray, tetsy amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, afakomaly tamin’ny 1 ora tolakandro. Saika hiondrana tamin’ny fiaramanidina ET852 ho any Addis-Abeba hizotra any Bangkok izy io saingy izao tratra izao. Nahatsikaritra zavatra hafahafa tao anatin’ny vatany ambany ny zandary miasa […]
Ankadilalana : Mpanao Cash point voaroba 25 tapitrisa Ar
Olon-dratsy roa lahy nitam-piadiana nanambana basy ka nandroba vola an’ny mpanao Cash point teny Mahamasina Ankadilalana, ny marain’ny sabotsy 12 jolay tamin’ny 7 ora sy sasany. Hamonjy ny toeram-piasany ilay renim-pianakaviana sy ny vadiny. Niambozona ny sakaosy nisy ny vola mitetina 25 tapitrisa Ariary sy finday fampiasa ilay ramatoa. Nandrasan’ny […]
Fanondranana zavamaniry arovana: Teratany karana roa sy Malagasy iray voarohirohy
Niakatra fampanoavana, afakomaly, ny teratany karana roa sy Malagasy iray, ahina ho mpanao trafikana Harena voajanahary. Nahatratra karazana zavamaniry voarara miisa 40 izy ireo. Tratra nanao hosoka mahakasika ny fanondranana zavamaniry arovana tao amin’ny zaridaina iray etsy Ivoara, kaominina ambanivohitra Masindray ny teratany karana iray. Nanantanteraka fisavana teny amin’ny zaridaina […]




