Mois : juillet 2025
Sarimihetsika: Mifanome tanana ny Netflix sy ny Canal Plus
Nampahafantarina tetsy Ambodivona, omaly, ny tolotra vaovaon’ny Canal Plus dia ny Netflix izany. Ny volana jona teo, nanao fifanarahana stratejika tamin’ny Netflix ny vondrona Canal Plus. Fiaraha-miasa miforona eto Madagasikara hahazoan’ny mpanjifa misitraka mivantana ny Netflix, amin’ny alalan’ny famandrihana misy ny traikefa tsotra sy mora. Hanamarihina izany fanombohana izany, manome […]
Toamasina : Mpanjono telo lahy tsy hita popoka
Efatr’andro aty aoriana, mpanjono telo lahy tsy hita popoka raha nanjono tany atsimon’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tsy azo an-telefaonina izy ireo ary efa lany vatsy ihany koa. Nianga teo amoron-dranomasin’i Toamasina, ny talata 9 jolay tamin’ny 9 ora maraina ny mpanjono telo lahy. Andeha hanjono mandritra ny alina amin’ny alalan’ny fintana sy […]
VAOVAO TAMBATRA
Anisan’ny fidiram-bola voalohan’ny mponina any Sainte-Marie ny fizahantany. Nasongadin’ny filoha Rajoelina Andry nandritra ny fihaonany tamin’ny vahoaka, omaly, fa ho tohanan’ny fanjakana ny sehatry ny asa tanana. Tsy mena mitaha ny any Seychelles ny any Sainte-Marie, raha jerena amin’ny hakanton’ny tanàna sy ny lalana amin’izao fotoana izao. Maherin’ny 14 000 ny […]
Teknolojia avo lenta: Tonga eto amintsika ny fitaovana ERBA
Miroborobo ny fampiasana ny teknolojia niomerika amin’ny sehatry ny fitsaboana. Tonga eto Madagasikara ny orinasa Proximed LTD sy ny ERBA, manana ny foibeny atsy amin’ny Nosy Maorisy. Tanteraka izany, vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Natolotra ny 10 sy ny 11 jolay teo, ny vina […]




