Miasa andro aman’alina ny ekipan’ny sampandraharaha Hématologie ao amin’ny HJRA, amin’ny fanaovana fitiliana ra hanampy ireo dokotera amin’ny fitsaboana sy fahasitranan’ny marary. Miandraikitra manokana ireo mpijininika ra lava sy ireo manana aretin’ny faingontsela (drépanocytose) ihany koa ny sampandraharaha. Nampahafatatra ireo karazana tolotra ara-pahasalamana ao amin’ny sampandraharahan’ny Hématologie ny Dr Stéphania […]
Mois : juillet 2025
« Ako sy feo » – Randja Zanamihoatra: Mitohy ny hetsika faha-100 taona
11 Jolay 1997 – 11 Jolay 2025. Nitsingerina, omaly, ny faha-28 taona nahafatesan’i Randja Zanamihoatra na « Ilay poeta marolafy ». Velona mandrakariva ny soratra napetrany. Hianoka izany ny rehetra manomboka ny 17 jolay ho avy izao, etsy amin’ny Trano Sary Ambohidahy. « Ako sy feo », fampirantiana tafiditra ao anatin’ny faha-100 taonan’ity andrarezin’ny […]
TARATRY ny KANTO
Hivoaka anio ny boky vaovao, « Hatsarana hafakely, nos jolies différences ». Nosoratan’i Valisoa izy ity, izay nohaingoan’i Owl Fens sary, ary navoakan’ny Éditions Karné. Maneho ny fahasamihafana anatin’ny fiarahamonina, izay mampiavaka ny tsirairay ka hanomezana fahatokisan-tena ny ankizy, izay natao hamaky azy ny boky. Hisy ny fihaonana amin’ny mpanoratra sy ny […]
Tontolon’ny dihy : Hifarana anio ny « Evasion Danse » III
Iray amin’ireo hetsika lehibe momba ny dihy tanterahina eto Madagasikara ny Festival Evasion Danse. Tamin’ity taona 2025 ity ny andiany faha-3 izay nahitana fifanakalozana, fampisehoana, fampiofanana, sns. Hifarana anio eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo ny fandaharam-potoana. Hanomboka amin’ny 2 ora ny fifaninanana ahitana an’ny Arangao « Kiry », Mad’Anim « Fruits des bois », […]
“Revirevy Mody Masoandro” : Hamerina sy hamelona ny vazo an-gitara
“Ambony tamboho” ny filazana azy taloha… Ireny revy ireny ihany no nentina nandritra ny “Revirevy mody masoandro”, ary nahitam-pahombiazana izany, ka hotohizana. Mahaleo, Lôlô sy ny tariny ary Samöela. Nahoana moa no hanova, kanefa efa nahitam-pahombiazana ? Ireo ihany no notazomin’ny mpikarakara avy ao amin’ny Louvto Company, hanafana ny « Revirevy mody […]




