Mois : juillet 2025

Ambohijanaka: Mpamaky trano tratra teny an-tanimbary

Voasambotry ny fokonolona sy ny zandary teny an-tanimbary, ny mpamaky trano iray tao amin’ny kaominina Ambo­hijanaka, afakomaly. Niditra mangingina tao amin’ny tokantrano iray tao amin’ny Antovontany io lehilahy io, ny atoandron’io alarobia 9 jolay io. Nobatainy ny fahitalavitra. Nitsorika nivoaka avy hatrany izy. Tsikaritry ny mpiara-monina ny fihe­tsik’io olon-dratsy io. […]

Nivoaka ny didim-pitsarana : Hovosirina i Da-Willy, ilay mpanolana ankizy

Nilatsaka ny didy! Hovosirina, higadra hanao asa an-terivozona mandra-pahafatiny Andrinambinintsoa Johnny William na i Da-Willy. Nanolana zazavavikely vao enin-taona, teny Imerintsiatosika, ny harivan’ny 3 marsa 2024, izy. Niakatra teo anivon’ny fi­tsarana ambaratonga voalohany Anosy, efitrano fahadimy, omaly, ny raharaha mahakasika ny fanolanana ankizivavy enin-taona tetsy Imerintsiatosika, ny harivan’ny alahady 03 […]

« Mondial La Marseillaise à Pétanque »  : Tompondaka ny ekipa voafantin’ny Malagasy

Nahazo ny laharana voalohany ! Voahosotra ho tompondaka, ny fifaninanana tsipy kanetibe, “Mondial La Mar­seil­laise à Pétanque”, izay natao tany France, ny ekipa malagasy misy an-dry Rako­toarisoa Yves Sédrick sy Raza­nadr­a­koto Tiana Laurens ary Rako­toarisoa Lova. Lavon’izy ireo tamin’ny isa, 13 no ho 10 ny ekipa voafantina frantsay, misy an-dry […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina ny 2 hatramin’ny 9 aogositra izao any Toamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Mada­gasikara, taranja Volley ball, sokajy latsaky ny 16 taona sy latsaky ny 23 taona lahy sy vavy. Ao amin’ny Arena Sport Toamasina no hanaovana ny fifaninanana. Ho feno tanteraka ny fandaharam-potoana mandritra ny “Jamboree National Minibasket” hatao […]