Mois : juillet 2025

Aferam-basy : Telo mianadahy voasambotra tetsy Talatamaty

Tompon’antoka tamin’ny fivarotana fitaovam-piadiana tsy manara-dalàna ny vehivavy iray tratra teny Talatamaty, ny alahady 6 jolay teo. Roa lahy tratra niaraka tamin’ny basy sy bala. Hiakatra fampanaovana anio ireo olona telo voa­saringotra tamin’ny fivarotam-basy tsy manara-dalàna teny Talatamaty. Telo mianadahy niara-voasambotry ny zandarimaria avy eo ani­von’ny tobim-paritra Talata­maty, ny alahady […]

“Afrobasket 2025”  : Hitondra ny Ankoay i John Douanglin sy i Ndranto

Afaka iray volana, hanomboka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, “Afrobasket 2025”, any Angola. Araka ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ny Federasionina mala­gasin’ny basikety, fantatra fa hitondra ny Ankoay, mandritra io fifanintsanana io, i John Douanglin, teknisianina fran­tsay sy Rakotonanahary Ndranto. I John Douanglin izany no handimby ny toeran-dRavo­nimbola Jeannot, […]

SOMBIM-BAOVAO

Nifarana teo amin’ny dingana ampahefa- dalana ny lalan’ny Ankoay, nandritra ny fifaninanana Run Bal, taranja basikety, natao tany La Réunion, ny faran’ny herinandro teo. Resin’i Mexique tamin’ny isa 21 no ho 19 ny ekipa malagasy. Tsiahivina fa fandresena 3 nisesy no azon’izy ireo talohan’ity ampahefa-dalana ity. Hiditra amin’ny andro fahatelo, […]

Echecs-Inter Club : Mpilalao 204 nifaninana

Tontosa ny sabotsy 5 jolay lasa teo, teny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano, ny fifaninanana «Tournoi inter club par équipe», sokajy tanora, taranja échecs. Fifaninanana nokarakarain’ny Federasiona malagasin’ny taranja échecs. Niavaka ity fifaninanana ity noho ny hamaroan’ny mpandray anjara izay nahatratra 204 be izao. Ekipa 45 avy amin’ny klioba 17, […]