Mois : juillet 2025

Minisitry ny Fitsarana : “Mipetraka ny fitokisan’ny Firenena mikambana antsika…”

Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, fa niakatra avo indray ny voninahitry ny firenena. Nasongadina ny dingana vita eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Manamarika ny fahatokisana ananan’ny Fire­nena mikambana (ONU) an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny naha voafidy an’i Tom­bohavana Fabien ao amin’ny komitin’ny Firenena mi­kambana momba ny fiarovana […]

INDRAY MIJERY

Fananganan-tsaina volana jolay. Nisy ny fanen­tanana amin’ny fahavitrihana sy fahazotoana miasa nataon’ny sekretera jeneraly Harisoamanarivo Angelico Ennodius. Nirary soa sy nankasitraka ireo mpiasa tamin’ny ezaka fampandrosoana ny minisitera sy tamin’ny fandraisana anjara mavitrika tamin’ny lalao Asief izy. Fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana. Miantoka ny fisian’ny fanafody tsy tapaka ho an’ny fitsaboana […]

Zokiolona: Hivoaka ny vola fisotroan-dronono volana jolay

Hanomboka ny alakamisy 10 jolay izao ny famoahana ny vola fisotroan-dronono ho an’ireo zokiolona mandray izany eny amin’ny Perceptions principales sy ny Trésoreries principales ary ny Trésorerie principale inter-communale eto Antananarivo. Handray izany ny laharana miafara amin’ny 0 hatramin’ny 2, ny alakamisy izao. Anja­ran’ny laharana miafara amin’ ny 3 hatramin’ny […]

Fanadinana BEPC : Cisco 30 mahery no efa namoaka vokatra

Nanomboka ny faran’ny herinandro teo hatry ny omaly hariva, manodidina ny 30 ireo Cisco manerana ny Nosy, namoaka ny voka-panadinana BEPC. Nisantatra izany ny faran’ny herinandro teo ny distrikan’Iakora sy Ambatomainty ary Andramasina. Manodidina ny 60% mahery ny ankamaroan’ny taham-pahafahana tamin’ireo distrika ireo. Amin’ireo Cisco efa namoaka vokatra, anisan’ny taha […]

Fifindra-monina any Canada: Hapetraka ny rafitra mazava sy azo antoka

Canada, firenena anisan’ny mahaliana ireo tanora milaravinahitra any ivelany sy ireo mpifindra monina. Hapetraka ny rafitra mazava hiarovana ireo Malagasy any amin’ity firenena ity. Natao sonia omaly ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Asa sy ny avy ao amin’ny Chambre de commerce et de coopération Canada-Madagascar (Cancham). Fifanarahana hametra­hana rafitra mazava […]