Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny anaran’ireo vehivavy mpilalao tsipy kanetibe hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2025. Avy amin’ny ligin’Analamanga sy Matsiatra Ambony ary Vakinankaratra ireo handrafitra ny ekipam-pirenena, amin’ity. Nifarana ny alahady lasa teo, tany Antsirabe, ny fampivondronana ireo mpilalao tsipy kanetibe 24 mirahavavy. Hetsika nenti-nitiliana izay […]
Mois : juillet 2025
Fanolanana nitarika fahafatesana : Ramatoa iray voaheloka 5 taona asa an-terivozona
Renim-pianakaviana iray 38 taona voaheloka higadra 5 taona, taorian’ny fitsarana azy teo amin’ny lapan’ny Fitsarana ambaratonga ambony, sampana ady heloka bevava tao Toamasina, ny 2 jolay teo. Nifanao fotoana tamin’ny sakaizany io ramatoa io. Niara-nanao ny fiainan’ny mpifankatia izy roa saingy nitondra zaza tsy ampy taona ilay vehivavy. Nahita ny […]
Tsingin’i Bemaraha : Toerana lavitry ny fandrosoana nefa mahasarika mpizahatany maro
Maro ny toerana sy faritra manatantara eto Madagasikara. Mahasarika vahiny, indrindra ny mpizahatany, ny fitsidihana azy ireny. Anisan’ny toerana be mpitsidika sy mahasarika ny Tsingin’i Bemaraha, ao amin’ny kaominina Bekopaka, distrika Antsalova, faritra Melaky, raha ny fanadihadiana natao tamin’ny ben’ ny Tanànan’ny kaominina Bekopaka, Miandrizoky Jean Baptiste Franklin. Raha ho […]
Fampandrosoana ny kaominina : Hifampizara traikefa ny fikambanana AVCOI
“Sehatra iray nomena an’ ireo ben’ny Tanàna hifampizarana traikefa ny AVCOI”. Io ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andrianambony Nala Clara Michel, ny amin’ny fivoriambe isan-taon’ny fikambanan’ny ben’ny Tanàna mitantana tanàn-dehibe aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina (AVCOI) izay hatao eto Antananarivo, ny 8 sy 9 jolay. Nijoro […]
Depiote Ratsiraka Sophie: “Tsy azo terena ny vahoaka”
Mbola ny raharahan’ny kaominina Antanambao Mahatsara, distrikan’i Vatomandry, faritra Atsinanana, ihany… Tsy mety milamina. “Ohatra ny hoe mampihorohoro vahoaka ny ao Vatomandry amin’izao hoe tsy maintsy handray fepetra. Nefa tsy azo terena koa ny vahoaka hanaiky ny olona tsy nofidiny. Tsy fantatra hatramin’izao izay ho vokatr’izany”, hoy ny depiote tsy […]




