Mois : juillet 2025

Fanamafisana fahaiza-manao: Nifarana ny atrikasa fanofanana

Nifarana, omaly, ny atrikasa fanofanana ho an’ireo mpisehatra miisa 16, ho fanamafi­sana ny fahaiza-manao (VAE), notanterahina nanomboka ny alatsinainy 30 jona 2025, tao amin’ny Hotel Le Pavé Anta­naninarenina. Hetsika ao anatin’ny fiaraha-miasa eo amin’ ny minisiteran’ny Fampiana­rana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny Unesco. Mi­kendry indrindra ny hanamafisana ny […]

Tsy fahampian-dra : Olana ho an’ny fahasalamana

Natolotra omaly, teny Anosy, ny valin’ny fanadihadiana momba ny tsy fahampian’ny singa mpamelona eto Madagasi­kara (ENCM 2024). Notontosaina ny volana jona hatramin’ny septambra 2024 ny fidinana ifotony tany amin’ny faritra 23. Niompana tamin’ny zaza enim-bolana hatramin’ny 59 volana, zatovo lahy sy vavy, vehivavy mitondra vohoka ary ireo vehivavy afaka miteraka […]

Fampitsaharana vohoka : Hitondra fivoarana ny Farimbona 2.0

Tsy mbola nisy fivoarana ny ady ho amin’ny fanovana ny lalàna mandrara ny fampitsaharana vohoka na inona na inona antony. Nametraka sahanasa vaovao telo ny Nifin’akanga amin’ny Farimbona 2.0. Iarahany miasa amin’ny Amplify Change, mba hampandrosoana sy hanamafisana ny ezaka vita tamin’ny dingana voalohany. Haharitra 24 volana ny fanatanterahana ny […]

INDRAY MIJERY

Hetsika fampifaliana ny ankizy ato anatin’ny faritra Analamanga. Nisy ny fizarana kilalao tao amin’ ny trano fitaizana zaza kamboty Triomphe Ambohi­man­gakely, izay fiaraha-miasa amin’ny Project Christmas Child. Miisa 117 ireo ankizy nisitraka izany. Nandray anjara tamin’ny atrikasa fanamarinana ny Politikam-pirenena sy ny fandaharanasa nasionaly momba ny fiarovana sy ny fahasalamana […]

Faritra Vakinankaratra : Miroso ny fanamboarana ny lalana RN7

Mitohy hatrany, tahaka ny fanao isam-bolana, ny fihaonan’ny eo anivon’ny faritra Vakinankaratra amin’ny mpanao gazety. Hanasana sy iantsoana ireo tomponandraikitra isan-tokony izany. Nitondra fanazavana ta­min’ny mpanao gazety momba ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-7 ny governoran’ny faritra Vaki­nankaratra, Vyvato Rakoto­vao. Nambarany fa efa miroso ny asa. Mizara roa mazava tsara ny […]