Mois : juillet 2025

Seho santatra: Hanampy ny manano­tena ny « Jaim »

Notontosaina tetsy amin’ny Kianja mitafon’Imahamasina ilay fampisehoana « Antsam-piderana lehibe miavaka », nokarakarain’ny fikambanana Jerin’ny avara-pahalalana ilon’i Madagasikara (Jaim). Seho nandraisan’ireo tarika andrarezin’ ny hira evanjelika toa ny KTKT Toliara, TGC, Henika, Chorale Lova Militaire Toliara. Fantatra fa hetsika voalohany nokarakarain’ny Jaim ny omaly. Hanampiana ireo reny mananotena sy ny zaza kamboty […]

Toy ny vao omaly… : Nahatazona ny lazany ry zareo « Génération 2000’s »

Nanodidina ny taona 2000 no tena nitoeran’ny lazan’ireo mpanakanto na tarika nandray anjara tamin’ilay seho « Génération 2000 », omaly. Feno ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Imahamasina. Lany ny tapakila. Tonga maro ny mpijery ! Ton­tosa, omaly, tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Imahamasina ilay seho an-tsehatra lehibe nampitondraina ny lohateny « Génération […]

FANTINA sy FINTINA

Marina hoe misy ny fisaraham-pahefana: mpanao lalàna, mpanatanteraka, mpitsara. Io no nambaran’ny mpisolovavan’ireo fianakaviana manana ny maty tamin’ny “Raharaha Ambohimalaza”, ny Me Rafidison Eric, teny Anosy, afakomaly. Tsy tokony hitsa­baka amin’ny raharaham-pitsarana ny fahefana mpanatanteraka, fa sahirana ny mpitsara. Nifarana teny amin’ny kianjan’ny kanto, Mahamasina, omaly, ny tsenaben’ny Firaisankina naharitra […]

Fihaonana an-tampon’ny SADC: Atao tsara antoka ny fampandehanan-draharaha

Ao anatin’ny fanomanana ny fihaonana an-tampony faha-45 eo anivon’ny Sadc, manome lanja manokana ny fanofanana ireo ekipany hiantohana ny fampandeha­nan-draharahan’izany hetsika le­hibe isam-paritra izany i Madagasikara. Ny teny ang­lisy no teny ofisialin’ny Sadc. Noho izany, manamboninahitra 100 eo ho eo avy ao amin’ ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny sy ireo sampandraharaham-panjakana hafa […]

Vahoaka tsy adala

  Tsy misy inona vitan’ny fitondram-panjakana, hono, amin’izao. Izay ny fijerin’ny be tsikera, mpanohitra, mpankahala… Izay atao koa tsy misy dikany, tsy mitondra inona amin’ny fiainam-bahoaka: rendrarendra, fisehosehoana… Tsy atao mahagaga raha ny vava tsy ambina toy izany. Mby amin’ny hoe tsy manao na inona na inona raha tsy te […]