Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika «Fijery hafa» tao Isandra. Hampiroborobo ny fahaiza-manao sy ny fiofanana ho an’ny mponina izany. Nanome voninahitra ny hetsika ny solontenan’ny governora ary naneho fanohanana feno ireo solontenam-panjakana sy ireo manam-pahefana ary ireo vahoaka nanatrika izany. Natolotra ho an’ireo tanora ao Anjahana ny kianja manara-penitra […]
Mois : juillet 2025
Olan’ny famatsiana jiro sy rano : Nanao hetsika fitakiana ny mpianatra eny Ankatso II
Mafanafana indray ny toe-draharaha eny amin’ny trano fonenan’ny mpianatra ao anatin’ny onivesiten’Antananarivo, ny faran’ny herinandro teo. Nanomboka ny zoma lasa teo no nanao hetsika ny mpianatra eny Ankatso II, izay vokatry ny fahatapahan’ny jiro sy ny famatsiana rano lavareny ka manelingelina ny fizotry ny fiainan’izy ireo amin’ny andavanandro. Miankina betsaka […]
FIMIBEAMA: 16 taona nikarakarana zokiolona
16 taona ny Fikambanana mikarakara zokiolona sy miahy ara-sosialy eto Madagasikara (Fimibeama). Miorina eny Alasora ary efa manana sampana manerana ny Nosy izy ireo. Ny fahatsapana fa betsaka ny tsy fahalavorariana mahazo ny zokiolona eo amintsika no nanosika ny mpanorina ny fikambanana hisafidy ny hikarakara azy ireny. 50 mahery ny […]
Antsirabe : Nisy ny asa tanamaro nanadiovana ny Tsena Sabotsy
Ny fanadiovana ny tsena no asa voalohany nataon’ny rehetra hirosoana amin’ny fanarenana vokatry ny afo. Niray hina ny rehetra nahitana ny sokajin’olona samihafa noho ny fitiavana ny tanànan’Antsirabe. Nifanome tanana tamin’ ny asa tanamaro fanadiovana ny Tsena Sabotsy taoriana ny fahamaizana nitranga ny mpiasam-panjakana, sehatra tsy miankina, fikambanana samihafa, olon-tsotra […]
Distrikan’i Maroantsetra : Nahazo kianja roa manara-penitra
Notokanan’ny Filohan’ny Repoblika Malagasy, Rajoelina Andry, ny faran’ny herinandro lasa teo, tao amin’ny Distrikan’i Maroantsetra, ny Kianja roa manara-penitra, eny an-drenivohitry ny tanàna sy ny ao amin’ny kaominina Anjahana. Tafiditra amin’ny tetikasan’ny Filohan’ny Repoblika, ny hetsika tahaka izao. Tsara ny mampahafantatra fa zava-dehibe ho an’ny tanora sy ny Fanatanjahantena ny […]




