Mois : juillet 2025

Harena ambanin’ny tany : Liana amin’ny sehatry ny solika sy ny gazy i Indonezia

Vonona hampiasa vola eto Madagasikara ny mpandraharaha indoneziana. Andrasana ny fisokafan’ny fanomezana fahazoan-dalana vaovao. Anisan’ny noraisin’ny mi­nisitry ny Harena an-kibon’ny tany (MMRS), Rakotomalala Herindrainy Olivier, teny amin’ny toeram-piasany Ampandrianomby, ny alatsinainy teo, ny delegasionina indoneziana. Nitarika azy ireo tamin’ity fitsidihana amin’ny fomba fanajana ity, ny filoha lefitry ny Antenimieram­pirenena indoneziana […]

TSELATRA

Nanararaotra jiro tapaka, moto 125 cc lasan’ny jiolahy tao amin’ny tokantrano iray teny Amboditsiry, ny alin’ny talata hifoha ny alarobia 23 jolay teo. Nopitsohin’ireo tsy valahara ny hidin’ny vavahady. Mpangalatra voasambotra taorian’ny nahitana azy tao anatin’ny horonantsary, teny Soamanandrariny, omaly. Nobatain’io lehilahy io ny bitro lehibe an’olona saingy tsy nahatsikaritra […]

Ankadikely Ilafy : Jiolahy roa lahy maty voatifitra

Lavon’ny tifitra tao anatin’ny haizina ny roa lahy mpikambana anatin’ny tambajotran-jiolahy, teny Ambonisoa, kaominina Ankadikely Ilafy, omaly maraina. Naharay angom-baovao ny zandary fa misy andian-jiolahy mikononkonona hanao fanafihana teny an-toerana. Nanao fisafoana alina ny mpitandro filaminana ka nifanehatra tamin’ireo olon-dratsy. Nitondra fitaovam-piadiana ireo jiolahy ka nitifitra avy hatrany rehefa nasain’ny […]

Tao anatin’ny telo andro : Olona roa hita faty teny Ambohimalaza

Zazavavy 6 taona hita faty ny alatsinainy ary olona iray hafa omaly tolakandro, tao amin’ny kaominina Ambohimalaza. Tsy nisy voamaso ilany intsony ilay zazavavy. Nofatorana tamin’ny rovitr’akanjo mainty teo am-bodihazo ny vatany, nogejaina tadin-kiraro ny tongotr’i Tanyah kely, ilay zazavavy 6 taona hita faty tao Ambohimalaza, ny alatsinainy 21 jolay […]